Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

« 300 no isan’ireo mpomba an-dRavalomanana », hoy Andry Rajoelina

21/12/2012

Nisongadina nandritra ny tafa nataon’ny filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina tamin’ny mpanao gazetin’ny RFI ny mikasika ny tontolon’ny fifidianana sy ny fodian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ka nametrahan’ity hainoamanjery vahiny fanontaniana manao hoe: “matahotra ireo vahoaka mpomba an-dRavalomanana ve ianao?”. Namaly izany ny filoha Rajoelina ka nilazany fa “tsy nitsahatra ny nanao hetsika ireo mpomba an-dRavalomanana Marc nandritra izay telo taona izay. Manodidina ny 300 eo ho eo no isan’izy ireo!”. Manodidina ny 300 araka izany no fahitan’ny mpitondra fanjakana ny isan’ny Malagasy mbola manaraka ny filoha teo aloha. Ampahafirin’ny isan’ny mpifidy izay efa mananontanona ny 7 tapitrisa tokoa moa izany 300 izany. Tsy manana ahiahy ny amin’ny fahalaniany ho filohan’ny Repoblika faha-IV mihitsy araka izany ny filohan’ny Tetezamita. Mety ho izany rahateo koa no nanenjehana ireny fitokonana ny kianjan’Antsonjombe sy ny kianja fanaovana rugby teny Andohatapenaka ireny, hanehoana eo imason’izao tontolo izao fa mihoatra noho ireo olona 300 mpomba ny filoha teo aloha ny vahoaka manara-dia azy.

Fanonganam-panjakana
Nasian’ny filoha Rajoelina tsindrim-peo nandritra ny tafa nifanaovany tamin’ny RFI ihany koa ny mikasika ny fodian’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. “Mety hiteraka korontana ny fodian’ny filoha teo aloha. In-telo nikotrika fanonganam-panjakana ny tenany nandritra izay telo taona nisian’ny Tetezamita izay, ankoatra ny fanafihana ny tenako manokana toa ny fanapoahana baomba tamin’ny fiara nitondra ahy”, hoy ny filohan’ny Tetezamita. Mazava araka izany fanazavana nomen’ny filoha Rajoelina izany fa heloka ny fanonganam-panjakana ary tsy azo ekena ny fanonganam-panjakana mandritra ny Tetezamita izany. Fanonganam-panjakana koa anefa no nahatongavany teo amin’ny fitondrana ary izany no fototry ny tsy fahazoan’ny HAT fankatoavana iraisam-pirenena.
Demôkrasia
Mitovy amin’ity resaka fanonganam-panjakana nambaran’ny filoha Rajoelina ity ihany ny tontolon’ny demôkrasia eto amintsika amin’izao fotoana. Notokanana ho kianjan’ny demôkrasia ny kianjan’Ambohijatovo ny taona 2009 izay nakaton’ny mpitondra tanteraka rehefa tonga teo amin’ny fitondrana izy ireo. Nampanantena ny hanokatra ireo hainoamanjery rehetra ihany koa ny tenany ny volana janoary 2009; radio sy fahitalavitra maherin’ny 80 no nakaton’ny mpitondra ankoatra ny fanenjehana ny Free Fm, ny fanafihana ny Fréquence Plus ary ny fandrahonana mpanao gazety ataon’ny mpitandro filaminana. Fehiny, ho lany amin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika faha-IV araka izany, ny filoha Rajoelina sy ny manodidina azy.

Roc
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...