Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Manome vahana ny basy ny HAT

28/12/2012

Samy nanana ny fahitany ny fanondrotana gradin’ireo jeneraly, izay natao nandritra ny Filankevitry ny minisitra ny alarobia lasa teo ny mpanara-baovao isan’isany avy. Isan’ny nanakiana mafy izany fihetsiky ny fitondrana tetezamita izany ireo mpiasam-panjakana hafa. Araka ny hevitr’izy ireo dia ataon’izao fitondrana izao an-kilabao ny momba azy ireo. Naneho ny heviny manoloana izay ny mpikambana ao amin’ny SECES, Richard Rakotondrainibe sy ny filohan’ny SEMPAMA Claude Raharivoatra.

Isan’ireo nanao hetsika goavana nitaky ny zon’izy ireo momba ny tambin-karama samihafa sy ny fanatsarana ny tontolon’ny asan’izy ireo ny mpiasam-panjakana samihafa teto amintsika. Tsy vitsy tamin’izy ireo no nanao fitokonana nandritra ny andro maromaro mihintsy mba hanerena ny fitondram-panjakana hijery akaiky ny momba azy ireo. Iarahan’ny rehetra mahalala anefa ny vokatr’izany rehetra izany amin’izao fotoana izao: narirariran’ny fanjakana ny fitakiana nataon’izy ireo, ka tsy nisy azo ny ankamaroany. Tsy vitsy ihany koa ireo mpiasam-panjakana no niharan’ny antsonjay vokatry ny tolona izay nataony. Etsy an-danin’izany anefa, nahazo vahana hatrany ny foloalindahy tamin’ny fanatsarana ny toerana sy ny asan’izay ireo. Porofon’izany ny fanondrotana grady izay nataon’ny Filankevitry ny minisitra farany teo. Ho an’I Richard Rakotondrainibe dia tsy nahataitra azy izany fihetsiky ny fitondrana tetezamita izany satria iaraha-mahalala hoy izy fa “ny basy no manan-danja amin’ity fitondrana ity raha oharina amin’ny stylo”. Nilaza ihany koa anefa ity mpampianatra mpikaroka ity fa tsy maintsy ho avy ny fotoana izay hivadihan’ny tantara ka ahatsapan’ny mpitondra ny tetezamita fa ny stylo no tena manan-danja noho ny basy. Ankoatr’izay dia nilaza ihany koa ity mpikambana ao amin’ny SECES ity fa miandry fatratra ny fanatanterahan’ny fitondram-panjakana ny fampanantenana izay nataony mikasika ny tombontsoan’ny mpampianatra mpikaroka izy ireo amin’izao fotoana izao. “Efa nifanarahana hoy izy, fa ho voasoratra ao anatin’ny làlana mifehy ny tetibola 2013 ny fanatanterahana ny fitakian’ny SECES”. Arak’izany dia efa miandrandra ny hahazo izany manomboka amin’ny volana janoary izy ireo.
Nanana ny fahitany iny fanendrena jeneraly maro nataon’ny fitondrana tetezamita iny ihany koa ny filohan’ny SEMPAMA, Claude Raharivoatra. “Efa fantantsika rehetra ny tantara, satria mpanohana ny fametrahana an-dRajoelina tamin’io toerana io avokoa ireo manamboninahitra ireo, ka tsy mahagaga raha izy ireo hatrany no totofana tombontsoa amin’izao fitondrana izao”, hoy ny fanazavany. Nambarany ihany koa fa tsy misy n’inon’inona azo atao manoloana izany fihetsiky ny fitondrana tetezamita izany, na dia iaraha-mahalala aza fa misy mizana tsindrin’ila ny fitantanana ny vahoaka eto amin’ny firenena. “Iaraha-mahalala fa tsy misy mianatra eny amin’ny sekolim-panjakana ny zanak’ireo mpitondra tetezamita. Tsy mahagaga arak’izany raha tsy miraharaha ny fahantran’ny mpampianatra eny amin’ireny sekoly ireny izy ireo”, hoy ihany ny fanazavan’ny filohan’ny SEMPAMA. “samy atao manara-penitra avokoa ireo karazan-javatra eto amintsika, afa-tsy ny tontolon’ny fanabeazana ny zana-bahoaka ihany. Tokony tsy hadino anefa fa tsy misy fampandrosoana eto raha tsy tomombana ny fanabeazana”, hoy ny fanamarihan’ity mpitarika ny SEMPAMA ity.
Nomarihan’i Claude Raharivoatra ihany koa fa odian’ny fitondram-panjakana tsy hita mihintsy amin’izao fotoana izao ireo mpampianatra FRAM. Ireto farany anefa amin’izao fotoana izao no azo lazaina fa maro an’isa eny amin’ireo sekolim-panjakana. “Tsy misy mihintsy hatramin’izao ny firesahana ny fanatsarana ny asan’izy ireo, na ara-pihofanana izany n any fandraisana an-tanana ny karaman’izy ireo”, hoy ihany ity tompon’andraikitra ity.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...