Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Tsy teo intsony ny nonony, tapaka ny tendany

02/01/2013

Nitrangana habibiana mahatsiravina tany Ambalavao, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Vehivevy iray no hita faty tany anaty lobolobo tsy lavitra ny tanana. Rehefa nojerena ilay faty dia tsy hita tao intsony ny nonony roa. Nodidiana ihany koa ny tendany ary efa saika tapaka tanteraka mihitsy. Nambaran’ny mpitsabo nanao fitiliana ny razana ihany koa fa natao an-keriny ity tovovavy ity. Tense Mena no nahafantaran’ny maro tao Ambalavao an’ity tovovavy vao erontrerony niharan’ny habibiana nataon’olo-tsy fantatra ity. Efa hatramin’ny fetin’ny Noely, izany hoe ny 25 desambra no voalaza fa tsy hitan’ny fianankaviany ity tovovavy ity. Ankizy nitondra tena tany anaty lobolobo tsy lavitra ny tanana no nahatsikaritra fa nisy fatin’olona tao amin’izany toerana izany ary nilaza tamin’ny fokonolona.

Tamin’ny asabotsy farany teo no no nitrangan’izany. Fantatra ary fa dia ny fatin’ilay zazavavy ity hita ity. Akory anefa ny hatairan’ny maro satria efa tsy nisy nono roa intsony ilay vata-mangatsiaka. Fantatra anefa fa tsy nohanim-biby fa nodidiana tamina zava-maranitra izany taova izany. Nokapaina ihany koa ny tendany ary efa saika tapaka tanteraka mihintsy. Ny mpitsabo tany an-toerana izany nanao fizahana ny razana ihany koa dia nahatsikaritra fa niharan’ny firaisana ara-nofo an-keriny ity zazavavy ity talohan’ny namonoana azy. Marihina fa vehivavy mpivaro-tena no nahafantaran’ny maro an’i Tense Mena tamin’ny fahavelony. Ary dia maro mpahalala tokoa ny tenany tao Ambalavao.
Mbola tranga mitovitovy an’izany ihany koa no nitranga tao amin’ny Kaomina Sendrisoa mbola ao amin’ny distrikan’Ambalavao ihany. Saingy lehilahy kosa indray no niharan’ny habibiana, araka ny tatitra nataon’ny ben’ny tanana tamin’izany kaomina izany. Fantantra fa nisy namono ihany koa izany tovolahy izany, ary ny filahiany indray no tsy teo amin’ny tenany intsony. Nokapaina ary efa saika tapaka tanteraka ihany koa ny tendany.
Hatreto dia tsy mbola nisy ny fanazavana mikasika ireo tranga ireo sy ny mety ho ambadik’izay fanjavonan’ny taovam-pananahan’ireto olona nisy namono tany Ambalavao izeto. Mandry tsy lavo loha arak’izany ny mponina any amin’iny faritra iny, ary manahy mafy ny amin’ny mety ho fisiana varotra na trafikan’ireny taovao ireny. Mora miely rahateo ny tsaho manoloana ny trangan-javatra toy izao.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...