Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Sivana amin’ny endriny vaovao ?

02/01/2013

Manomboka mampaka-peo ireo mponina any amin’ny faritra ivelan’Antananarivo manoloana ny karazam-baovao sy ny fomba fanomezam-baovaon’ny haino aman-jerim-panjakana. Tsy hita taratra amin’izany haino aman-jery izany, hoy izy ireo, ny fahafaha-mahazo vaovao avy amin’ny fijery samihafa. Ohatra amin’izany ny feon-gazety izay itranganan’ny fanilihana ireo gazety tsy miandany amin’ny fitondrana sy ny fanaovana jery ankapobeny fotsiny an’ireo vaovao voasoratra amin’ireny gazety ireny. Mahatsiaro ho very zo ny ankamaroan’ny mponina ivelan’ny faritra Antananarivo raha ny fazoam-baovao avy amin’ny fijery samihafa no resahina.

Hatreto tokoa, araka ny iaraha-mahalala dia tsy misy afa-tsy ny haino aman-jerim-panjakana no hany mahenika ny Nosy manontolo. Tsy araka ny andrasan’ny mpijery izany haino aman-jery izany anefa ny vaovao ampitaina amin’ny alalan’ireo haino aman-jerim-panjakana ireo amin’izao fotoana izao. Satria miandry ny mba hisian’ny hevitra samihafa sy ny fijery mifanohitra ao amin’izany haino aman-jery izany ny maro. Zon’ny rehetra rahateo ny mahazo izany. Isan’ny tena mahazo fanakianana betsaka avy amin’ny mpijery fahitalavim-panjakana any amin’ny faritra samihafa ivelan’Antananarivo ny momba ny feon-gazety. Ity farany no antenain’ny maro fa mba ahitana ireo vaovao hafa tsy alefan’ny haino amanjerim-panjakana. Amin’ny alalan’ny feon-gazety ihany koa no ahafahan’ny mpanara-baovao samihafa any amin’ny faritra mahafantatra ireo hevitra mifanohitra eto amin’ny firenena. Tsy izany anefa no zava-mitranga satria tsy avoakan’ny TVM araka ny tokony ho izy ireny vaovaon-gazety ireny. Matetika dia atao safobemantsina fotsiny ny famakiana azy. Tsikaritra ihany koa fa misy ireo gazety sasantsasany izay tsy voaresaka ao amin’ity fandaharana feon-gazety ity mihitsy. Mety ho voaresaka ihany indraindray, raha toa ka tsy mitsikera ny fitondrana tetezamita.
Mahabe resaka ny maro arak’izany ny fomba fitantanana ny vaovao ao amin’ny haino amanjerin’m-panjakana. Mibaribary loatra ny tsy firaharahana ny vahoaka ivelan’Antananarivo amin’ny fizakan’izy ireo ny zo ahafantatra izay vaovao rehetra mitranga eto amintsika sy ny hevitra mifanohitra manoloana izany.

Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...