Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Tsy noresahana ny famatsiam-bola

21/01/2013

Isan’ny nandrasan’ny mpanara-baovao ny amin’ny tokony hanambaran’ny filohan’ny Tetezamita ny niavian’ny vola nanamboarana ireny zava-bita notokanana tamin’ny faran’ny herinandro ireny. Ankoatry ny Lapan’ny tanana izay nahitana ny fandraisan’anjaran’ny SPAT, ny BCMM, ny Tetikasa AMBATOVY, ary ny KRAOMA dia tsy voaresaka mazava tsara nadritra ny fitokanana ny famatsiam-bola nahavitana ny hôpitaly manara-penitra sy ny trano mora. Tao Mangarano II toerana misy ny “cite fitiavana” miisa 128 no nanombohan’ny filohan’ny Tetezamita ny fitokanana nataony tany Toamasina ny faran’ny herinandro teo.

Ny “Cité Fitiavana” izay ahitana trano fonenana karazany roa dia ireo manana efitra telo sy ireo manana efitra efatra. Miisa zato ireo karazany voalohany ary 28 kosa ireo karazana faharoa. Amidy 24 tapitrisa ariary ny trano fonenana manana efitra telo ary tanora manambady no mahazo mividy izany izay aloa 150.000 ariary isam-bolana ao anatin’ny roa taona. Ankoatry ny trano fonenana dia nisy ihany koa ny fitokanana ny hopitaly “manaram-penitra” izay mihorina ao anatin’ny tanin’ny “magro” Morafeno. Vita amin’ny fitaovana sinoa izay vao tonga tamin’ny zoma hariva ny 99% ao amin’ity hôpitaly ity, ireo fitaovana ao anatiny vao tonga avy any Chine ny zoma hariva teo. Nambara fa “hopitalim-bahoaka” izany hôpitaly izany, ka ho maimaim-poana avokoa ny fitsaboana, ny fiterahana, ary ny fandidiana. Misy farafara miisa 120 sy fitaovam-pandidiana sy fitarafana samy hafa ao anatiny.
Nandritra ny lahateny izay nifandimbiasana dia nisy ni filazana fa ny ministeran’ny Fanajariana ny tany no namoaka vola tamin’ny fanamboarana ireo zava-bita ireo. Re ihany koa anefa fa misy mpandraharaha Karana sy Malagasy ary Sinoa nanatsy ara-bola ny fanamboarana ireto zava-bita ireto.
Ny fitokanana ny Lapan’ny tanana narenina no namarana ny fitokanana tany Toamasina. Ny Lapan’ny tanana izay nandraisan’ny SPAT izay namoaka ny vola be indrindra Ar.1.400 tapitrisa eo, ny MICTSL, ny BCMM, ny Tetikasa AMBATOVY, ary ny KRAOMA anjara tamin’ny fanarenana azy. Karana sy Malagasy kosa no voalaza fa niantoka ny fanaka natao tao anatiny, raha nahilika fa nolazaina ho “fako” ireo nangatahana tamin’ny Tetik’asa Ambatovy izay noraisin’ny kaominina tsara ny 13 janoary teo.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...