Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

“Tokony mibaboka vao mahazo famontsora-keloka”

21/01/2013

Mitohy hatrany ny fanehoan-kevitr’ireo mpanao politika manoloana ny fanambaran’ny Filohan’ny tetezamita tsy hilatsaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena sy ny fikasany hampandeha alohan’ny datin’ny fifidianana solombavambahoana miohatra amin’ny filoham-pirenena. Raha samy ny mankasitraka ny tsy filatsahan’ny Filohan’ny tetezamita amin’ny fifidianana ny ankamaroan’ny mpanao politika dia mandà ny fanemorana ny fifidianana filoham-pirenena kosa ny maro amin’izy ireo. Isan’izany ny filohan’ny Antoko Vitantsika Io izay nilaza fa tsy tokony hisy mihintsy izany fanemorana izany. Nambarany ihany koa fa mila mibaboka aloha ireo mila famotsoran-keloka vao homena izany.

Tsy tokony hahemotra ary tsy tokony hasiam-panovana na kely azan y tetiandrom-pifidianana hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Vitantsika Io sady kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena Ptrick Raharimanana. Antony maro no nahatonga ity mpanao politika ity hirona amin’izay petra-kevitra izay araka ny fanambarana nataony ny asabotsy teo tetsy Ampefiloha. Nambarany fa efa efa-taona izao ny nifandresen-dahatra teo amin’ny rehetra mikasika an’izany tetiandrom-pifidianana izany. Efa tafa-paka tamin’ny fifanaovan-tsonia ny tondrozotra ireny fifampidinihina rehetra ireny araka ny fanambarany ary efa samy nanao sonia sady efa nanaiky izany avokoa ireo mpanao politika koa tsy ilaina intsony, hoy izy ny fanovana izany teteiandrom-pifidianana izany. Nambarany ihany koa far aha samy efa miaiky ny amin’ny tsy maintsy hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 8 mai izao ny rehetra dia tokony ho sokafana amin’ny 8 febroary ho avy io ny fandrotsahana kandida amin’izany fifidianana izany.
Marihina fa nankasitraka ny fanambaran’ny filohan’ny tetezamita mikasika ny tsy filatsahany amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny kandida Patrick Raharimanana. Nomarihina fa isan’ireo efa nitaky ny fisintahan’ny filohan’ny tetezamita amin’ny fifidianana filoham-pirenena antoko Vitantsika io, mba tsy hisian’ny fitongilanana amin’ny fikarakarana ny fifidianana.
Isan’ny nitondran’ny filohan’ny antoko Vitantsika io fanazavana ihany koa ny hevitr’izany antoko izany manolohana ny famotsoran-keloka. Tsy nandà ny mahazava-dehibe izany famotsoran-keloka izany i Patrick Raharimanana. Nambarany kosa ma tokony hatao amin’ny fomba maha-malagasy ireny famotsoran-keloka izany. Izany hoe tokony hiaiky ny heloka vitany aloha ireo meloka teto amin’ny firenena vao homena azy izany famotsoran-keloka izany
Komity mpanohana
Ankoatry ny fanehoan-kevitra amin’ny fivoaran’ny toe-draharaha ara-politika eto madagasikara dia isan’ny nisongadina tamin’ny fihaonan’ny mpanao gazety tamin’ny filohan’ny antoko vitantsika ion y fanolorana ny komity mpanohana ny filatsahan’i Patrick Raharimanana amin’ny fifidianana.
Ny famoronana asa sy ny fanampariaham-pehefana no isan’ireo hevi-baventy entin’ny antoko Vitantsika io sy ny filohany Patrick Raharimanana handresy lahatra ny mpifidy azy ami’ny fifidianana filoham-pirenena.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...