Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Naverina ny entan’Ambatovy

22/01/2013

Omaly tolakandro no naka ny entany naratsiana ny Tetikasa Ambatovy. Nandritra ny fakan’ny orin’asa Ambatovy ireo entana ireo dia fantatra fa nisy very ny sasany tamin’ireo entana ireo. Isan’izany ny “chaise de bureau diretction en cuir”, ny “chaises salon direction 2-1-1” ary “armoire”. Milaza ny hitory ny kaominina mikasika ity raharaha ity ny orinasa Ambatovy. Tsy araka ny baikon’ny Filohan’ny Tetezamita izay nilaza fa aterina amin’ny fiarabe fanaraiam-pako ireo entan’Ambatovy ny zava-nitranga tamin’ny famerenana izany entana izany.

Araka ny loharanom-baovao avy any Toamasina dia ny fiaraben’ny Tetikasa Ambatovy no naka ireo entana ireo tao amin’ny Lapan’ny tananan’i Toamasina. Tsiahivina fa nokilasin’ny filohan’ny Tetezamita ho toy ny fako ireo entana natolotry ny Tetik’asa Ambatovy ireo. “Efa maka ny harentsika amin’ny tombony mihoampampama ny orinasa Ambatovy, ny fangatahana natao taminy amin’ny fividianana ireo fanaka apetraka eo anivon’ny lapan’ny tanana tsara tarehy be io, dia tsy nataony fa fanaka efa ‘zaoridira’ no mba nomeny. Manome baiko anareo eo anivon’ny kaominina aho androany, aterinareo amin’ny kamiao fanarinareo fako ireo fanaka ‘zaoridira’ ireo, dia apetrao eo am-bavahadin’Ambatovy rahampitso (ndlr: omaly) ihany”, hoy ny lahatenin’ny Filohan’ny tetezamita nandritra ny fitokanana ny fanarenana ny Lapan’ny tanana tany Toamasina. Tsiahivina fa efa nanakiana ny vola azon’ny fanjakana Malagasy avy amin’ny vokatry ny asan’Ambatovy ihany koa ny Filohan’ny Tetezamita. Nambarany fa 01% monja ny tombom-barotry ny orinasa no hany hetra alohany amin’ny fanjakana Malagasy. Tantara mitohy arak’izany ity adin’Ambatovy sy ny filohan’ny tetezamita ity.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...