Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Mandrahona ny handray andraikitra ny fokonolona

22/01/2013

Nampaka-peo ireo fokonolona izay mitaky ny fanonerana ny famonoana ny havan’izy ireo tamin’ilay raharaha nahafatesan’olona miisa fito tany amin’ny Distrikan’i Sakaraha. Tsy tanteraka araka ny nifanarahana ny fanomezana ny onitra izay notakian’izy ireo. Nisy ny fihaonan’izy ireo tamin’ireo tompon’andrikim-panjakana tany an-toerana ka nanehoany ny fahavononany hanao hetsika lehibe raha tsy tanteraka izany onitra izany.

Mbola tandindomin-doza hatrany hatramin’izao ny fiaraha-monina ao Toliara ao. Entitra dia entitra ireo fokonolona izay avy amin’ny fianankavian’ireo izay nahafatesana nandritra ny fifandonana nahafaty olona fito tany Sakaraha ny volana novambra tamin’ny taon-dasa. Nambaran’ireto farany fa tsy matahotra ny handray andraikitra izy ireo raha toa ka tsy tanteraka an-tsakany sy an-davany ny fanonerana efa nifanarahana teo anatrehan’ny mpitondra fanjakana sy ireo olona voalaza fa namono. Araka ny fantatra dia ny faran’ny herinandro teo no tokony nanolorana ireo onitra ireo, izay isan’izany ny omby miisa 700 ho fanadiovana ny fianankaviana noho iny vono olona iny. Tsy tanteraka araka ny tokony ho izy anefa izany fanonerana izany hatreto ka nahatonga izao fandrahonana nataon’ireto fianankaviana ireto izao.
Tsara ny mampatsiahy fa efa nanao hetsika tamin’ny alalan’ny fisakanana ny lalam-pirenena hiditra ny tananan’i Toliara ireto fokonolona ireto, herinandro vitsivitsy lasa izay. Hetsika izay naharitra roa andro ary tsy nivaha raha tsy tonga nangata-dresaka tamin’izy ireo ny mpitondra fanjakana notarihan’ny lehiben’ny faritra. Nandritra izany fifampiresahana izany no nanapahana fa handoha onitra omby miisa 700 ho azy ireo ny fianankavian’ireo namono.
Tsara ihany koa fa raharaha halatra safira no niantombohan’izany rehetra izany. Halatra safira izay niafara tamin’ny famonoan’ireo mpangalatra ny zanak’ilay tompon’ny safira. Nisy anefa ny fanenjehan’ny fianankavian’ilay tompon’ny safira an’ireo olona nangalatra sy namono ny havan’izy ireo. Ary dia mbola ireto nanenjika ireto hatrany no nahafatesana fito.
Manahy mafy ny amin’ny mety hivadihan’izao raharaha izao amin’ny fifandonana eo amin’ny samy mpiara-monina any amin’iny faritra iny ny mpanara-baovao, indrindra raha sanatria ka tsy mahita vahaolana maika ny tompon’andrikim-panjakana.

Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...