Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

« Mbola misy fifandresehan-dahatra rehefa tonga Ravalomanana»

28/01/2013

Nanamafy ny Ankolafy Ravalomanana, tamin’ny alalan’ny olom-boatendry Razafimanantsoa Hanitra fa tsy handray anjara amin’ny fifidianana izy ireo raha tsy tonga ety an-tanindrazana mialoha izany ny mpitarika ny ankolafy misy azy ireo. Nanamafy ihany koa izy ireo fa tsy hangataka « amnistie » ho an-dRavalomanana ny mpanara-dia azy, raha mbola ilay làlana nataon’ny fitondrana tetezamita no mifehy ny fahazoana famotsoran-keloka. Mitaky hatrany ny fiverenan-dRavalomanana an-tanindrazana mialoha ny fanatantarahana ny fifidianana eto amin’ny firenena ny ankolafy Ravalomanana.

Hita taratra izany nandritra ny fihaonana fanaon’izy ireo tetsy amin’ny Magro Behoririka ny Sabotsy lasa teo. Toy izao indrindra ny ampahany tamin’ny lahateny nataon’ny mpisolovava Razafimanantsoa Hanitra manandrify izany fitakian’izy ireo ny fodian’ny filoha teo aloha mialoha ny fanatanterahana ny fifidianana izany. « Ny andininy faha 20 hoy tsy maintsy tanterahina. Ny filoha Ravalomanana Marc efa nilaza fa mody izy aloha vao manendry olona hisolo azy. Misy olona any mamendrofendro antsika hoe ahoana izany ianareo rehetra ireo. Ny antsika dia miandry an’i dada. Raha ny tokony ho izy dia ny 08 febroary izao no tokony handeha ny fiantsoana ny olona hifidy sy fametrahana ny antotaratsy. Dikan’izany hoy izy dia mila ny filoha Ravalomanana Marc hody haingana eto isika. Raha an-terisetra tahaka ny fifidianana tamin’ny 2010 io dia tsy misy dikany. Rehefa tsy tonga eto I dada dia tsy misy dikany izany. Ny zanak’I Dada hoy Me Hanitra dia tsy hanendry tena na hanolotra kandida raha tsy tonga ny filoha Ravalomanana Marc”.
Olon-dRajoelina nifona
Ankoatry ny fiverenen’ny filoha teo aloha dia isan’ny noresahan’ny mpisolovava nandritra ny lahateniny ihany koa ny mikasika ny famontsoran-keloka. Efa misy ny fitoriana nataontsika, hoy izy ary ho hitan’ny havana eo ireo. Natao milamina tsara ny antsika hoy izy ka izay no nampikoropaka azy. Ny sehatra iraisam-pirenena no nilaza taminy ka izay izy vao nilaza hoe omeo amnistia. Izy tenany, hoy Maître Hanitra, mbola tsy nilaza hoe omena amnistia fa ireo namany. Mbola manana porofo any ho any isika hoy izy ary misy olona akaiky azy efa nifona amiko. Ny tenako hoy, Maître Hanitra dia nilaza tamin’io olona io fa ampitaiko any amin’ny filoha Ravalomanana Marc izany fifonanao izany. Ho antsika tsy mampaninona na omeny amnistia na tsia fa isika tsy angataka amnistia ho an’ny filoha Ravalomanana Marc raha iny lalàna nataonareo iny. Raha iny an’ny Sadc iny kosa hoy Me Hanitra dia zavatra hafa iny, fa rehefa miteny ny Sadc hoe omena dia omena. Mazava ny tondrozotra fa vita daholo ny amnistia vao miroso amin’ny fifidianana isika. Ny olona tokony omena izany anefa tsy mbola vita, ny “loi d’amnistie” nataon’ny Sadc no tadiavina. Marihina fa araka ny fanamarihana nataon’ity mpisolovava ity nandritra ity lahateny ity ihany dia mbola hisy fifandresen-dahatra rehefa tonga eto an-tanindrazana ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc. Tsy nazavainy kosa anefa na mikasika ny fifidianana na eo amin’izy samy ankolafy Ravalomanana no ipetrahan’izany fifandresen-dahatra izany.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...