Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Tsy nomen’ny fanjakana “bourse” nandritra ny sivy volana

29/01/2013

Velon-taraina ary niantso ny fandraisan’andrikitry ny fitondram-panjakana tetezamita ireo Ray aman-dRenin’ireo mpianatra Malagasy mandranto fianarana any Frantsa sy any Chine. Efa sivy volana izao no tsy nandray vatsim-pianarana ireo mpianatra ireo, ary mandeha ihany koa ny resaka fa mety hampodian’ny fanjakana izy ireo. Niray feo ary nampita ny fitakiany eo anatrehan’ny fitondrana Tetezamita ireo ray aman-dRenin’ny mpianatra mandranto fianarana any Frantsa sy any Chine. Nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izay nataon’izy ireo omaly no nanambarany fa velon’ahiahy tanteraka izy ireo amin’ny zava-misy iainan’ireo mpianatra Malagasy any amin’ireo firenena ireo amin’izao fotoana izao. Voalohany amin’izany ny tebiteby mahazo azy ireo noho ny fandrenensana fa mety hampodiana an-tanindrazana izy ireo.

Nambaran’ireto Ray aman-dReny ireto fa tsy tongatonga fotsiny ny fandrenesana izany fampidiana ny mpianatra mandranto fianarana izany fa tsy maintsy nisy ny nihaviany. Ankoatr’izany dia fantatra ihany koa araka ny tatitra nataon’ireto Ray aman-dReny ireo fa efa sivy volana izao ireo mpianatra ireo no tsy nandray vatsim-pianarana. Tamin’ny volana avrily taona 2012 izy ireo no nadray izany farany ary ny vola tokony ho azony tamin’ny efa-bolana talohan’izany no voaray tamin’izany. Hatramin’izay dia tsy nanome na dia ariary azan y fitondram-panjakana tetezamita. Sarotra dia sarotra arak’izany ny fiainan’ireo mpianatra Malagasy any ivelany any, indrindra ireo any Chine. Araka ny nambaran’ireo Ray aman-dReny dia tsy eken’ny fanjakana any Chine hiasa izy ireo satria voararan’ny lalàna any amin’ity firenena ity izany.
Miantso ny maha-olom-panjakana an’ireo mpitondra an’izao tetezamita izao, arak’izany ireo Ray aman-dReny, satria fifanarahana nosoniavina mpitondra fanjakana no nandefasana ireo mpianatra ireo tany ivelany mba handranto fianarana araka ny fanamarihan’izy ireo.
Notsiahivin’ireo Ray aman-dReny ireo fa efa nisy ny soson-kevitra ny handoavana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra amin’ny alalan’ny vidin’ilay fiaramanidin’ny filoha teo aloha “Force One II”. Tsy nitazona ny teny nomeny anefa ny mpitondra ny tetezamita ka na dia efa lafo aza izany fiaramanidina izany dia tsy nisy nanomezana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra Malagasy any ivelany akory ny vidiny. Efa nisy ihany koa, hoy izy ireo, ny fampanantenana handoavana ny roa volana amin’izany trosa izany kanefa tsy tanteraka ihany koa izany. Nomarihan’izy ireo ihany koa fa tsy misy afa-tsy ny Minisitry ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana siantifika no nandray azy ireo. Mandà tsy mety handray azy ireo avokoa ireo tompon’andrikitra hafa.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...