Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

« Aza rebirebena intsony ny vahoaka ! »

01/02/2013

Nohamafisin’ny mpitarika ny FFF na Firaisam-pirenena ho an’ny Fahafahana sy ny Fandrosoana, Radavidson Benjamin Andriamparany, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety ny fahavononany amin’ny fifidianana filoham-pirenena. « Ny taona 2009 aho no nilaza voalohany indrindra fa ho kandidà, tsy ny tenako mihitsy no hitsanga-miehmotra sy hanao kilalaon-jaza amin’izany. Kandidà ny tenako ary tsy maintsy hamafisina amin’ny alalan’ny kongresy izay hataon’ny FFF izany fanapahan-kevitra izany », hoy ity ministry ny Vola teo aloha ity. Lasa adihevitra amin’izao fotoana ny datim-pifidianana sy izay fifidianana hotanterahana mialoha, taorian’ny kabary nataon’ny filohan’ny HAT, Andry Rajoelina. Hentitra sady mazava ny valin-tenin’ny mpitarika ny FFF, Radavidson Andriamparany momba izany. Hoy indrindra izy : « ny fifidianana filoham-pirenena no efa nanomanana ny sain’ny vahoaka Malagasy.omaly ianao milaza fa mety izany ; rahampitso indray ianao milaza fa tsy mety satria tsy hilatsaka. Amiko, tetika hanalavana ny fotoana maha eo amin’ny fitondrana Tetezamita izany rehetra izany. Ianareo mpanao politika no namaritra io daty 8 may 2013 io, koa tanteraho ny fifidianana raha sahy ianareo fa izahay sahy ary aza rebirebena ny vahoaka Malagasy ».

Nambaran’itykandidà ity hatrany fa tsy mitombona ny fandresen-dahatra ny amin’ny tokony hanatanterahana ny fifidianana solombavambahoaka mialohan’ny filoham-pirenena, araka izao manaraka izao : « ezahan’ny sasany aely ny hoe raha vao ny fifidianana filoham-pirenena no mandeha mialoha dia hanaraka izay filoha lany eo fotsiny sisa ny fifidianana depiote. Diso tanteraka izany satria miaraka atao ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka amin’ny fihodianana faharoa ka iza no afaka hilaza izay ho lany. Ao koa ny hoe azo haverina ny fifidianana depiote raha sanatria misy diso. Dia apetrako ny fanontaniana: fa angaha efa misy manana eritreritra hanao diso?”. Ny fifidianana filoham-pirenena, araka izany, no tokony hatao mialoha satria efa izay rahateo koa no nambara tamin’ny vahoaka, araka ny fanambarana nataon’ny kandidà Radavidson Andriamparany .
Air force one II
Niteraka resabe teto amin’ny firenena ny fiaramanidina Air Force One II izay novidian’ny fitondrana Ravalomanana Marc. Isan’ny ampamoaka novoizina teny amin’ny kianjan’Ambohijatovo ka nitakiana ny fialan’ny ministry ny Vola tamin’izany fotoana. Namidin’ny fitondrana HAT indray anefa io fiaramanidina io. Tsy misy mahafantatra izay tena vidiny sy izay nahazo azy anefa ny vahoaka noho tsy fisian’ny mangaraharaha. Nitondra ny fomba fijeriny manodidina izany ny kandidà Radavidson Andriamparany: “voalohany indrindra, tsy misy firenena vahiny na fanjakana any ivelany na orinasa manara-dalana hividy an’iny Air Force One II iny mihitsy. Iza no afaka mivarotra fananam-panjakana mba nandalo ny dingana tokony holalovany ve ny famarotana iny fiaramanidina iny. Tokony nandalo teo anivon’ny parlemanta mantsy izany na koa ny Filan-kevitry ny minisitra ary tokony ho nazava ny “appel d’offre” fa tsy an-tsokosoko tahaka izao. Koa satria ve tsy nisy mangaraharaha ny fomba nividianana azy dia tahaka izany koa ny fomba namarotana azy? Aleo hotsoriko ny resaka fa nisakana ny fividianana ny Air Force One II aho. Nitaky ny tokony hanajana ny paikady rehetra aho, toa ny fampidirana izany tao anatin’ny Teti-bolam-panjakana fa tsy sanatria misy olona iray te hanana fiaramanidina dia havoaka fotsiny amin’izao ny vola 60 tapitrisa dolara. Vokany, nesorina tamin’ny andraikitro aho. Fantatro tsara anefa ny vokatry ny fividianana io fiaramanidina io na dia ny fifandraisantsika amin’ireo mpamatsy vola fotsiny ihany aza”.
26 janoary 2009
Feno efatra taona tamin’ny herinandro lasa teo ny Alatsinainy Mainty, ny raharaha 26 janoary 2009. Hatramin’izao anefa tsy mbola nisy fanadihadiana nisokatra mikasika iny heloka be vava namoizana ain’olona iny. Mitondra ny heviny mahakasika izany ny kandidà Radavidson Andriamparany: “tsy azo ekena ary tsy tokony hiverina intsony ny tranganjvatra tahaka ireny. Tokony hazava ihany koa anefa ny andraikitry ny tsirairay avy. Nisy fitondrana tamin’ireny fotoana ireny, inona no andraikiny manodidina ny raharaha 26 janoary. Nisy mpitarika koa anefa an-kilany, inona no andraikitr’izy ireo teo anatrehan’izany. Tsy tokony hafenina intsony ny marina ary izay indrindra no ilàna Fitsarana tsy mitanila”. Azo natao ihany anefa, raha ny fanazavana nomen’ity kandidà ity ny nisoroka ny raharaha 26 janoary sy ny 7 febroary 2009, araka izao manaraka izao: “marihiko etoana fa nanao antso avo tamin’ny alalan’ny hainoamanjery, ny amin’ny tokony hifampiresahan’Atoa Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina izahay (tsy mbola FFF akory tamin’izany fotoana) ny sabotsy mialohan’ny 26 janoary, rehefa tsy nahomby ny fanelanelanana nataon’ny FFKM satria tandindomin-doza ny firenena. Mbola nanao antso avo tahaka izany koa izahay ny 6 febroary ary nandeha nitety trano mihitsy. Tsy nandray anay anefa ny sasany. Hamaranako ny teniko, tsotra ny vahaolana hivoahan’i Madagasikara amin’ny krizy; ataovy ny fifidianana filoham-pirenena”.

Roc
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...