Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Nenjehin’ny gasy tany anaty hôtely

04/02/2013

Nanaho hetsika tampoka tao amin’ny Hôtely niantranoan’ny mpanolon-tsaina manokan’ny filohan’ny tetezamita, Ratsirahonana Norbert Lala ireo tera-tany Malagasy monina any Paris afry notarihan’ny GTT, omaly. Saika niafara tamin’ny fidarohana an’ity mpanolontsainan’i Andry Rajoelina ity izany hetsika izany. Voafehin’ireo mpanao fihetsiketsehana ihany anefa ireo mpandray anjara tamin’ny hetsika. Nampanantena ny hijery akaiky ny famoahana ireo gadra politika kosa i Ratsirahonana Norbert Lala.

Tonga tampoka tao amin’ny Hôtely lehibe, IBIS CAMBRONNE, tany Paris, izay nipetrahan’ny mpanolon-tsaina manokan’ny Filohan’ny tetezamita, Ratsirahonana Norbert Lala ireo tera-tany Malagasy notarihan’ny fikambanana GTT France. Omaly tokony ho tamin’ny sivy ora maraina, ora any Paris, no nitrangan’izany hetsika izany. Araka ny loharanom-baovao dia efa vory tao amin’ny toerana iray tao amin’ity hôtely lehibe ity ireo mpanao fihetsiketsehana vao naniraka ny iray tamin ‘izy ireo handondona ny efitrano nisy an’i Ratsirahonana. Nivoaka avy tao ity mpanolon-tsainan’i Andry Rajoelina ity izay nanaiky nidina teo anatrehan’ireo mpanao fihetsiketsehana na dia mbola akanjo mandry aza no teny an-kodiny. Teo no saika tsy tana ireo mpanao fihetsiketsehana satria nisy tamin’izy ireo no efa saika hidaroka avy hatrany an-dRatsirahonana. Nandray andraikitra avy hatrany kosa ny mpitarika ny fihetsiketsehana ka voalamina ihany ireo izay nentin-katezerana tamin’ny fahitana an’ity mpanolon-tsain-dRajoelina ity. Navela hisolo akanjo, avy eo ingahy Ratsirahonana ary nanaiky hifampiresaka tamin’ny mpanao fihetsiketsehana notarihan’ny GTT. Isan’ny fanontanian’ireto farany ny antonym bola tsy ahatongavan-dRavalomanana an-tanindrazana. Araka ny valintenin-dRatsirahonana dia ny SADC no mbola tsy mamela azy hody eto Madagasikara. Nilaza ny hanaitra ny SADC manoloana izany moa ireo mpanao fihetsiketsehana. Mbola isan’ny nametrahan’izy ireo fanontaniana ihany koa ny mikasika ireo gadra politika izay mbola any am-ponja amin’izao fotoana izao. Nampanantena azy ireo ingahy Ratsirahonana fa hitady izay hivoahan’ireo gadra politika raha vantany vao tafaverina aty Madagasikara.
Tsar any mampatsiahy fa nirahin’ny filohan’ny tetezamita tany Frantsa ny mpanolontsainany Ratsirahonana Norbert , niaraka tamin’i Rajaona Anick izay tompon’nandrikitry ny fifandraisana iraisam-pirenena ao amin’ny fiadidiana ny tetezamita. Araka ny loharanom-baovao dia ny handresy lahatra an’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny tokony hampandrosoana ny fifidianana solombavam-bahoaka mialoha ny fifidianana filoham-pirenena no anton-dian’izy ireo. Araka ny vaovao farany dia tsy nahita nahomby izany dian’izy ireo izany.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...