Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Namidy tamin’ny Carlton ny tanin'ny Tranombokim-pirenena ?

07/11/2012

Ny fahatongavan’ireo teknisianina nandrefy ny tokotanin’ny Tranombokim-pirenena, ary ny fanambarana natao nandritra ny fivorian’ireo teknisianina miara-miasa akaiky amin’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny Vakoka no nahafantarana fa efa eo am-pamindrana ny tany malalaka eo an’elanelan’ny Bibliothèque Nationale sy ny Hotely Carlton ho lasa fananan’ity farany amin’izao fotoana izao ny ministera voalaza etsy aloha. Dingana mitondra any amin’ny fametrahana “bornes” an’io tany io ny fandrefasana natao, hoy ny loharanom-baovao.

Tezitra ny ampahany maro amin’ireo mpiasan’ny Ministeran’ny Kolontsaina sy ny Vakoka, indrindra ireo mpiasa ao amin’ny Bibliothèque nationale taorian’ny fahafantarana fa efa lasan’ny Hotely Carlton amin’izao fotoana izao ny ampahan-tany malalaka eo an’elanelan’ireo fotodrafitra roa ireo. Tany izay fananan’ny Bibliothèque nationale, izany hoe fananam-panjakana. Eo anatrehan’izany dia efa misy mihintsy amin’izao fotoana izao ireo mpiasa izay mikononkonona ny hanao hetsika fanakanana izany famarotana ny tanin’ny Bibliothèque Nationale izany amina orin’asa tsy miankina amin’ny fanjakana. Fantatra ihany koa fa mety hanatevin-daharana azy ireo amin’izany ireo mpiasan’ny ministeran’ny Kolontsaina sy Vakoka avy amin’ny toeran-kafa.
Amin’ireto mpiasa ireto dia tsy mazava ary tsy ara-dàlana ny fomba namarotana an’io tokotany io. Ny loharanom-baovao avy ao an’ivon’ny ministeran’ny Kolontsaina sy ny Vakoka no nahafantarana fa tsy vaovao akory ny famarotana an’ity tokotany ity satria efa nisy ny firesahana momba izany tamin’ny fitondrana teo aloha, ary fony mbola ny Hilton no nitantana an’io Hotely io. Saingy tsy tanteraka ny fifanarahana satria tsy nahavita nanangana ny trano vaovao izay tokony ho tambin’ny fanomezana azy ny tany io Hotel io. Amin’izao fotoana izao anefa dia ho tanteraka ihany ny fanomezana an’ity hotely lehibe ity an’io tokotany ion a dia tsy misy mahafantatra ny momba izay nifanarahany tamin’ny ministera. Tsy nisy rahateo ny tolo-bidy nalefan’ny ministera momba izany.
Tsy manam-pahefana
Ankoatr’izay tsy fisian’ny mangarahara tamin’ny fomba namarotana ity tany ity izay dia hametrahan’ny mpiasa fanontaniana ihany koa ny fahafahan’ny ministera mamarotra tanim-panjakana, indrindra amin’ny maha fitondrana tetezamita an’izao misy antsika izao. Araka ny hevitr’izy ireo dia tsy tokony hanao afa-tsy ny fampandehanan-draharaha amin’ny maha tetezamita azy ny ministera. Etsy an-danin’izany dia isan’ny mampanahy ny mpiasa ihany koa ny antony tsy maintsy namarotana ity tany ity satria raha lafo io tany io dia tsy hanana tokotany ahafahana manitatra ny asany intsony ny Tranombokim-pirenena, raha misy liana izany indray andro any.
Nomarihan’ny loharanom-baovao fa tsy mitombina ny fanazavana izay natao mikasika ny maha orin’asa ananan’ny fanjakana petra-bola ny Hotely Carlton. Satria na dia misy petra-bolan’ny fanjakana aza ao amin’ity Hotely ity dia tsy midika akory izany fa ny fanjakana no tompony. Raha lasan’ny Carlton arak’izany ny tokotanin’ny Bibliothèque Nationale, dia mazava loatra fa tsy hanajo aminy intsony ny fanjakana.
Mibahan-toerana
Ankoatra ny raharaha fivarotana ny tanin’ny Tranombokim-pirenena dia fantatra ihany koa amin’izao fotoana izao fa manomboka mampaka-peo ihany koa ireo mpiasa nohon’ny fahitan’izy ireo fa tsy ara-dalàna ny fipetrahan’ny ministeran’ny Kolontsaina ao amin’ity tranon’ny Bibliothèque Nationale ity. Araka ny fahitan’izy ireo dia mandika ny maha izy azy an’ity toerana ity ny fipetrahan’izany ministera izany ao. Bahanan’ireo sampan-draharaha samihafa sy ny kabinetran’ny minisitra, hoy izy ireo, ny ankamaroan’ny birao izay natao hampandehanana araka ny tokony ho izy an’ity Tranombokim-pirenena ity.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...