Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Nametraka fitoriana any La Réunion

08/11/2012

Nanoratra taratasy fitarainana tao amin’ny Fikambanana mpiaro ny zon’olombelona any amin’ny Nosy La Réunion ny Lieutenant Colonel Charles Andrianasoavina, izay efaa nivoaka ny hôpitaly nitsaboana azy kanefa mbola manaraka fanaraha-maso akaiky ny fahasalamany any amin’ity toerana ity amin’izao fotoana izao. Tamin’izany fitarainana izany no nanasongadinan’ity manamboninahitra malagasy ity ny tsy rariny nataon’ny mpitondra ny tetezamita azy. Miantso ity fikambanana mpiarony zon’olombelona ity hanameloka ny fitondrana tetezamita sy ny

mpitondra ao aminy ihany koa ny Kolonely Charles. Na dia mbola ao anatin’ny fotoam-pialan-tsasatra taorian’ny fivoahana hôpitaly aza ny Lieutenant Colonel Charles Andrianasoavina, ary na dia mbola tsy tomombana sy arahi-maso akaiky azan y fahasalamany, dia tsy nahasakana ny tenany tsy hanao hetsika manandrify izay hitany fa tsy rariny ataon’izao fitondrana tetezamita izao ny tenany. Arakan y fantatra dia nandefa taratasy fitarainana teo an’ivon’ny Fikambanana mpiaro ny zon’olombelona any La Réunion ity manamboninahitra Malagasy ity. Fitarainana izay ilazany ny tsy rariny nataon’ny mpitondra ny fanjakana Tetezamita eto Madagasikara tamin’ny tenany hatramin’ny nandavany ny tsy hiara-hiasa amin’izy ireo. Voatonona manokana ao amin’izany fitarainana izany ny Filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina sy ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny tetezamita, Resampa Haja ary ny mpiandraiki-draharaha Malagasy any La Réunion, Ramamonjisoa Virapin. Marihana fa mahakasika ireo tsy rariny natao taminy, nanomboka tamin’ny nadavan’ity manamboninahitra ity ny fiaraha-miasa tamin’ny fitondrana Tetezamita ka hatramin’ny nampidirana azy tany amin’ny fonjan’i Tsiafahy ary ny haretina nahazo azy sy ny tsy fisianan’ny fandraisan’andraikitra avy amin’ny fanjakana tamin’ny fitsaboana azy tany La Réunion ny votoatin’ity taratasy fitarainana nataon’i Kolonely Charles ity.
Tsiahivina fa ny Kolonely Charles no iray tamin’ireo manamboninahitra lefitra tamin’izany fotoana izany, izay nanampy ny Filohan’ny tetezamita tamin’ny fandrodanana ny fitondrana teo aloha. Isan’ny tena nahafantaran’ny maro azy ny fihetsika izay nataony nanoloana ireo masoivoho vahiny izay tonga teny amin’ny Episcopat Antanimena nandritra tamin’ny fametram-pialan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Tsiahivina ihany koa fa iray tamin’ireo manambononahitra voaroiroy tamin’ny fikasana hanongana izao tetezamita izao, ary nioko teny teny amin’ny toby miaramila tao amin’ny BANI Ivato, niaraka tamin-dry Jeneraly Rakotonandrasana Noel, ny Kolonely Charles Andrianasoavina. Nandritra ny nahavoafonja azy tao amin’ny fonjan���i Tsiafahy no namparary azy ary niafara tamin’ny fandefasana azy hatrany La Réunion mihintsy.
Marihina fa nampanantena ny hamoaka ny marina fantany momba ny raharaha fanonganam-panjakana teto Madagasikara ihany koa ny Kolonely Charles tamin’izao fitarainana nataony tamin’ny Fikambanana mpiaro ny zon’olombelona tany La Réunion izao. Niantso ity fikambanana ity hanameloka ny mpitondra amin’izao Tetezamita izao, indrindra ny filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina sy ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Tetezamita, Resampa Haja, ary ny mpiandraiki-draharaha Malagasy any La Réunion, Ramamonjisoa Virapin ity manamboninahitra ity.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...