Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Vita ny famindram-pitantanana tany Toamasina

10/11/2012

Tontosa omaly tany Toamasina ny famindram-pahefana teo amin’ny komandy teo aloha sy ny komandy vaovaon’ny farim-piadidian’ny zandarmariam-pirenena tany an-toerana. Ny Kolonely Rantsironkavana Violet Clement indray izany, nanomboka omaly no komandin’ny farim-piadidian’i Toamasina eo anivon’ny zandarmariam-pirenena. Ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana misy any amin’iny faritra iny no nambaran’ny komandy vaovao fa himasoany amin’izao andraikitra nomena azy izao. Niantso ny fanampian’ny vahoaka ihany koa ny tenany mba hahatratrarana

izany tanjona izany.Lanonana miaramila notarihan’ny Komandin’ny Zandarmaria Nasionaly, ny Jeneraly Ravalomanana Richard no nanamarihana ny famindra-pitantanana teo amin’ny komandy teo aloha sy ny komandy vaovaon’ny farim-piadidian’ny zandarmariam-pirenena any amin’ny faritanin’ny Toamasina. Nandray ny fitantanana nandritra io lanonana ara-miaramila natao omaly tany Toamasina ion y Kolonely Ratsironkavana Violet Clément izay nisolo ny Jeneraly Iama Radafy. Ity farany izay vao notendrena hiadidy ny farim-piadidian’ny zandary any Toliara. Ny Kolonely Ratsironkavana Violet Clément arak’izany no komandy faha 20 nisahana ity farim-piadidian’ny zandary tany Toamasina ity. Avy amin’ny andiany faha 13 nivoaka tao amin’ny academia miaramila ao Antsirabe ny tenany. Nisahana ny maha lefitry ny komandin’ny Akademia miaramila tao Antsirabe indrindra ny tenany talohan’izao fanendrena azy any Toamasina izao.


Nandritra ny fandraisam-pitenenana tao anatin’ny lanonana ara-miaramila natao omaly tany Toamasina no nanambaran’I Kolonely Ratsironkavana Violet Clément fa tany misy fanjakana i Toamasina ka tsy azo ekena raha ny jiolahy sy ny mpanao ratsy no hametraka ny lalanany. Nambarany ihany koa fa mila fiaraha-miasa amin’ny rehetra ny zandary mba ahafahany manatontosa ny adidy masina dia ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Namafisiny ihany koa fa “manjaka sy te-tsy ho refesi-mandidy ireo mpanao kidnapping sy ny mpanafika miaraka amina basy ary ireo jiolahy mandeha andiany ao Toamasina. Hofongorintsika ireny fa fahavalom-pirenena sy fahavalon’ny fampandrosoana”.
Ny didim-panjakana 96-211 ny 25 jona 1976 no nanangana ny fari-piadidian’ny zandary Toamasina, raha mbola vondrom-pileovana no nisy tamin’ny taona 1960. Ny Kolonely Ratsimandrava Richard no komandy voalohany tao Toamasina.
Niatrika ny lanonana tao Toamasina, ny sekreteram-panjakana misahana ny zandarimariam-pirenena Jeneraly Randrianazara, ny Komandin’ny zandarmaria nasionaly, ny jeneraly Ravalomanana Richard ary ny solon-tenany misahana ny fiarovana eo anivon’ny masohivoho frantsay.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...