Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Gadra mandra-pahafatiny,sivy taona vao tratra!

12/11/2012

Nitàna ny sain’ny maro tany amin’ny taona 1999 ny raharaha Naivo, ilay raim-pianakaviana novonoina tamin’ny fomba feno habibiana, hita faty teny amin’ny dobon’Ankatso, tsy lavitry ny AGRO, ny faha-19 jolay. Efa vita hatramin’ny « autopsie » vao nampandrenesin’ny mpitandro filaminana ny ray aman-dreniny sy ny havany. Isan’ny voarohirohy ho atidoha nikotrika izao heloka be vava izao ny vadiny, Rakotovao Solomampionona Holimanitra na i Holy, izay nomelohin’ny Fitsarana ady heloka be vava higadra mandra-pahafatiny, didy n° 666 tamin’ny 18 desambra 2003, araka ny voalazan’ny andiny faha-298 ao amin’ny Fehezan-dalana Famaizana.

Sivy taona taty aorian’ny nivoahan’ny didim-pitsarana vao tratra tany Mahajanga ity renim-pianakaviana ity. Ny zoma 9 novambra 2012 izy no saron’ny pôlisy avy aty Antananarivo tao amina trano fanaovana masazy sy fanaovam-bolo tao Tsaramandroso ary nentina niakatra avy hatrany eto an-drenivohitra. Namoahan’ny Fitsarana ady heloka be vava didy fampisamborana n° 640/00CR i Holy, nahafahan’ny mpitandro filaminana nanatanteraka izany fisamborana tany Mahajanga izany. Notànana “violon” etsy amin’ny “commissariat central” Tsaralalana ny tenany nanomboka ny sabotsy lasa teo, mialohan’ny hanaterana azy eny amin’ny fonjan’Antanimora anio alatsinainy 12 novambra 2012.
Ampahany amin’ity raharaha ity ihany no azo ambara fa mazava hatreto, dia ny fahazoana an’i Holy sivy taona taorian’ny namoahan’ny Fitsarana ady heloka be vava didy managadra mandra-pahafatiny azy. Tsy mbola nivoaka kosa ny marina ny amin’ireo olona nanatanteraka mivantana ny famonoana. Tsy maintsy maromaro no nahavanona izany satria niharana fampijaliana sy vono maro i Naivo, nialohan’ny nahataperan’ny ainy, araka ny ratra hita teny amin’ny vatany. Hitondra zava-baovao manodidina ity raharaha ity ve izany izao fahazoana ny vadiny teo aloha izao? tsy tokony ho vitavita ho azy eny tokoa mantsy ny resaka vonoana olona mahatsiravina tahaka ny nanjo ity raim-pianakaviana ity izao. Mazàna mantsy mijanona fotsiny eo amin’ireo mpanatanteraka na ny atidoha fotsiny ihany izany; raha tokony mizaka miaraka ny sazy na ny mpaniraka na ireo mpamono, indrindra amin’ny ady heloka be vava. Toa hoe efa misy manao “intervention” mba tsy hitazonana “violon” azy sahady anefa nandritra iny faran’ny herinandro iny, raha ny vaovao re.

Roc
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...