Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Nosamborin’ny Fanjakana i Riri-Be sy Mandraina Félix

14/11/2012

Ny vady aman-janak’i Mandraina Felix no nahafantarana fa nosamborin’ny mpitandro filaminana tao amin’ny trano fonenany Mandraina Felix, filohan’ny Fikambanana “Tsisy miala aketo niany”, sy ny mpiara-mitolona aminy Rakotomalala Henri na i Riri Be miaraka amina olona efa-dahy mpiambina azy ireo ary samy mpikambana ao amin’ity hetsika ity avokoa. Omaly maraina tokony ho tamin’ny 3 ora maraina no nahatongavan’ireo mpitandro filaminana avy amin’ny “Unité mixte” any Toamasina nisambotra azy ireo. Araka ny loharanom-baovao avy ao amin’ny fianankavian’i Mandraina Felix dia nisy ny fandarohana azy ireo nandritra ny fisamborana. Nilaza kosa ny avy ao amin’ny fiadidiana ny Faritra Antsinanana fa nizotra tao anatin’ny filaminana tanteraka ny fisamborana azy ireo.

Nivadika ho fisamborana an’ireo mpitarika ny fikambanana “Tsisy miala eto niany” ny hetsi-bahoaka tany amin’ny tananan’i Toamasina, taorian’ny fanomezan’izy ireo 24 ora ny Lehiben’ny faritra mba hametrahany fialana amin’ny toerany, sy 72 ora ho an’ny Tetikasa Ambatovy mba hamaliany ny fitakian’izy ireo. Omaly tamin’ny 3 ora maraina no voalaza tonga tao an-tokatranon’i Mandraina Felix mpitarika ny fikambanana “Tsisy miala aketo niany”, nisambotra azy sy Rakotomalala Henri na i Riry Be miaraka amin’ireo efadahy mpiambina azy ireo ny mpitandro filaminana avy amin’ny “Unité speciale” nalefan’ny OMC (Organe Mixte de Conception).
Araka ny fitantaran’ny vadin’i Mandraina Felix dia miisa 12 izy ireo ary nandondona tao amin’ny trano fonenan’izy ireo talohan’ny namakiany ny varavarana rehefa tsy namoha ny trano ny tompon-trano. Nanambara ihany koa izy ireo fa ny hisambotra ny mpitarika ny hetsika “Tsisy miala aketo niany” no anton-diany. Nijoro ho vavolombelona tamin’ny fampiasan-kery nataon’ireo olona tonga naka an’ireto mpitarika ny “Tsisy miala eto niany” ireto ihany koa ny vady aman-janak’i Mandraina Felix. “Tonga dia daroka no nahazo ny vadiko, ary nodarohan’izy ireo tamin’ny herin’aratra ihany koa i Riri be, ary mbola nasian’izy ireo herin’aratra izay avy hatrany dia nampalemy azy. Notaritaritin’izy ireo nivoaka ny trano avy eo i Riry be ary naondrany tao anaty fiara 4X4. Tsy nahazaka ny fandarohana ny vadiko aho dia niezaka nisakana azy ireo kinanjo daroka sy tehamaina no nasetrin’ireo olona ireo ahy”, raha ny fitantaran’ny vadin’i Mandraina Felix ny zava-nitranga. Mbola ny vadin’i Mandraina Felix ihany koa no nilaza fa nalain’ireo olona naka an-keriny ireo ihany koa ny vola mitentina 2 tapitrisa ariary izay vola voaangona tamin’ireo samy mpikambana tao amin’ny “Tsisy miala aketo niany” hanamafisana ny hetsika.
Isan’ireo nitsangana ho vavolombelona tamin’ny zava-nitranga ihany koa ny renin’i Mandraina Felix izay nandraiky marary mihintsy hatramin’ny nisehoan’ity fakana an-keriny an’ireo mpitarika ny hetsika tany Toamasina ity. “Nodarohan’izy ireo aho raha mba niaro an-janako”, hoy ity renim-pianankaviana ity.
Nilaza ny maha ara-dàlana tanteraka ny fisamborana an’ireto mpitarika ny “Tsisy miala aketo niany” ireto ny Lehiben’ny Faritra Mahavimbina Alain, raha nanontaniana tamin’ny alalan’ny atso an-tariby, omaly. Tontosa tamin’ny fomba manara-penitra hoy izy ny fisamborana an’ireo olona ireo, ary tsy nisy fikasian-tanana na kely aza. Tetsy an-danin’izany nilaza ihany koa ny Lehiben’ny Faritra Antsinanana fa ao amin’ny “Brigade criminelle” ao Toamasina no itazonana azy ireo mandram-pahavitan’ny fanadihadiana mialohan’ny hanolorana azy ireo ny Fitsarana. Vesatra maro no iapangana azy ireo amin’izany toy ny fitarihana fihetsiketsehana tsy nazoana alàlana, ny fiokona amin’ny rafim-panjakana, ny fanalàmbaraka ampahibemaso, ny fanelezana vaovao tsy marina, ary ny fandrahonana amin’ny endriny rehetra. Misy porofo avokoa ireo vesatra iampangana an’ireo olona ireo, hoy ny fanazavan’ny Lehiben’ny Faritra Antsinanana.


Nilaza ny hanao hetsika ho fitakiana ny famoahana ny Filohan’izy ireo sy ny namany ary ny fianakaviany ireto mpikambana sy ny fianakavin’ireto olona voasambotra ireto. Mbola tsy namaritra ny fotoana heverina hanaovana izany anefa izy ireo. Na izany na tsy izany dia gina toy ny sosoa voatapo-drano kosa ireo hetsiky ny vahoaka tany an-toerana. Tsiahivina fa an-drivony no nirotsaka an-dalambe namaly ny antson’ny “Tsisy miala aketo niany” ny alatsinainy teo. Nitaky ny fialan’ny Lehiben’ny Faritra Antsinanana sy ny fandoavan’ny Tetikasa Ambatovy ny tamby takin’izy ireo taorian’ny fahavitan’ny fifanarahana tamin’ireo mpiasa efa tsy miasa intsony ireo.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...