Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Mirongatra indray ny fanapotehana ala nohon’ny fitrandrahana safira

15/11/2012

Olona an-drivony indray amin’izao fotoana izao no efa tafiditra ao amin’ny alan’ny Bemaity ao amin’ny Kaomina Didy, distrikan’Ambatondrazaka, hitrandraka safira sy rubis, raha tany amin’ny tandavan’alan’i Zahamena no lasibatra volana maaromaro lasa izay. Efa rakotra mpividy vato avy amin’ny faritra maro eto Madagasikara sy ireo vahiny Srilankais ihany koa ao Ambatondrazaka amin’izao fotoana izao. Miakatra vokatr’izany ny vidim-piainana. Mirohotra makany amin’ny alan’ny Bemainty indray ny mpitrandraka safira.

An-drivony izy ireo amin’izao fotoana izao no efa mirotsaka ao anatin’ity ala ity mitrandraka izany vatosoa izany. Araka ny vaovao avy any an-toerana dia tsy mbola ampy iray volana akory izao no nanombohan’ny fahitana safira sy rubis tao amin’ity ala voanjanahary ity kanefa dia efa rakotra vahoaka tsy hita noanoa any an-toerana amin’izao fotoana izao. Mpitrandraka safira, mpividy vato, mpivarotra enta-madinika, ireo ny an-kamaroan’ny olona tonga any an-toerana.
Ao antampon-tananan’Ambatondrazaka kosa, manao ranolava ny fahatongavan’ireo mpijirika vato avy amin’ny faritra maro toy ny avy any Antsiranana sy ny avy any Toliary. Efa saika tapitra misokatra ihany koa ny toeram-pividianana vato tantanan’ireo teratany Sri Lankais any an-toerana. Vokatr’izany rehetra izany, niakatra tampoka ny vidim-piainana tao amin’ity tanana ity raha tsy hilaza afa-tsy ny vidim-bary isika. Mahatratra 350 ariary amin’izao fotoana izao ny vidin’ny vary fotsy iray kapoaka raha mbola 300 ariary izany herinandro lasa izay. Any amin’ny faritra manodidina an’ity toerana fitrandrahana safira ity kosa, mahatratra 700 ariary ny vidin’ny vary iray kapoaka.
Ny loharanom-baovao ihany koa no nahafantarana fa efa nisy andiana mpitandro filaminana avy amin’ny zandarmariam-pirenana nihazo an’io faritra io. Efa nisy ihany koa andiana mpitandro filaminana avy amin’ny polisim-pirenena lasa any amin’izany toerana izany. Tsy mazava kosa hatreto ny tena anton-dian’ireo mpitandro ny filaminana ireo any an-toerana. Raha nanontaniana mikasika ny fisian’ny iraka nampanaovina ny mpitandro filaminana manoloana ity raharaha ity tokoa ny lehiben’ny distrika amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany azy momba ny fandriam-pahalemana dia nanambara fa tsy mbola nahafantatra ny fisian’izany ny tenany ary mbola tsy nandray fanampahan-kevitra mifanandrify amin’izany. Tsara ny mampatsiahy fa tsy vitsy tamin’ireo mponina tany Didy no niahiahy ny fihetsik’ireo mpitandro filaminana nalefa tany an-toerana nandritra ny fandroahana an’ireo mpitrandraka tany amin’ilay toeram-pitrandrhana voalohany.
Tsara ny manamarika fa toerana arovana, na irony fantatra amin’ny hoe ala voajanahary irony ity potehan’ny olona amin’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany ity, toy izay nitranga tany amin’io faritra io ihany saingy tamin’ilay ala atao hoe Zahamena. Momba ny fitrandrahana tao amin’ity faritra ity dia nisy ny fandroahan’ny miaramila ireo mpitrandraka tany an-toerana nohon’ny fisihan’ny fahasimban’ny tontolo iainana nateraky ny fitrandrahana nataon’izy ireo.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...