Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Tsy nandray anjara ireo sehatra voakasik’izany mivantana

16/11/2012

Notanterahina omaly 15 novambra 2012, tao amin’ny Hotely Panorama Andrainarivo ny atrik’asa fampahafantarana sy fandaniana ny volavolana didim-pitondrana hatolotra ny governemanta mahakasika ny ady atao amin’ny fitrandrahana tsy ara-dàlana ny hazo saro-bidy eto amintsika. Fiaraha-miasa eo amin’ny ministeran’ny Tontolo iainana sy ny sampandraharahan’ny firenena mikambana momba ny sakafo no tompon-kevitra tamin’ny fikarakarana ity volavolana didim-pitondrana hatolotra ny governemanta ity, izay niainga avy amin’ny fahatsapana ny halalin’ny fahavoazana ateraky ny fanapotehana ny hazo sarobidy eto amintsika.

Voarafitra ho tetik’asa arak’izany ny dingana atrehana amin’ny famolavolana izany didim-pitondrana izany, araka ny fanazavana nandritra ny atrik’asa natao omaly. Dingana voalohany tamin’izany ny fijerena sy ny fanatsarana irei fehezan-dàlana efa misy mahakasika ny fiarovana ny hazo sarobidy sy ny fitrandrahana azy ireny. Teo ihany koa ny fampahafantarana sy ny fampiroboroboana ny fahaiza-mitantana eo amin’ity sehatra ity. Ny dingana fahatelo kosa dia ny fanofanana ireo tantsaha sy ny fanosehana azy ireo amin’ny fananganana orin’asa madinika izay hampihenana ny fitrandrahana gaboraraka ireny hazo sarobidy ireny.
Nanaitra ireo mpandray anjara maro tamin’ity atrik’asa ity ny tsy nahitana ireo solontena avy amin’ireo sehatra izay voakasikasik’ity resaka fitrandrahana gaboraraka ny hazo sarobidy. Isan’izany ny Zandarmaria nasionaly izay tsy nandefa solon-tena na dia efa nahazo fanasana aza. Torak’izany ihany koa ny Bianco sy ny Fadin-tseranana (Douane). Nahalasa eritreritra ihany koa ny tsy nahitana ny solon-tenan’ny Vondron’ny mpandraharaha GEM n any FIVMPAMA. Ireo mpandraharaha mivondrona aminireto fikambanana ireto anefa amin’ny ankapobeny no tena voaresaka matetika amin’ny fandraharahana momba ny hazo sarobidy eto Madagasikara.

Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...