Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

“Tsy L.P fa fahamarinana!”

19/11/2012

Mitovy amin’ny toe-javatra niseho tany Afrika Atsimo ny zava-misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, araka ny nambaran’ireo olomanga Betsimisaraka avy any amin’ny Faritra Atsinana. Tonga maro eto Antananarivo tokoa mantsy ireo Tangalamena solontena avy any amin’iny Faritra iny, hanaraka akaiky ny raharaha Zakariasy Patrick. “Voalohany teto amin’ny tantaran’ny firenena Malagasy no nisy fitondram-panjakana nampigadra Mpanjaka, indrindra fa mialohan’ny hanaovana fampihavanam-pirenena izay kasaina hatao”, hoy ny mpitondratenin’ireo zanak’i Betsimisaraka, ny Tangalamena Jaona Razafimandimby.

“Mendri-piderana ny zavatra nataon’ny Tangalamena ZAKARIASY Patrick, satria sahy nanao sorona ny ainy hitadiavana ny marina ary amin’ny maha ray aman-dreny azy dia nijoro nanao ny adidin manoloana ireo zavatra tsy mety toa ny fandrobana ny harem-pirenena ary nampahafantatra ny valala be mandry ny zava-misy ataon’ny olom-bitsy momba ny fanondranana antsokosoko ny harena an-kibon’ny tany toa ny “bois de rose”, ny fasimainty. Ny mahagaga anefa dia gadra no setrin’izany”, hoy ihany ity Tangalamena ity.
Nomarihan’ny Tangalamena Jaona Razafimandimby fa nanampy ny asan’ny fanjakana sy ny mpitandro filaminana no nataon’ny Tangalamena ZAKARIASY. Hoy indrindra izy: “nanome “indice” noho ny fananany ireo antontan-taratasy manaporofo fa misy marina ny fanondranana tsy ara-dàlana “bois de rose” eto Madagasikara ny Tangalamena Zakariasy Patrick. Tsy tokony ho faly ve ny fanjakana amin’izany? Hitady “dossier” aza atao koa maninona raha miara misalahy ny mpitondra fanjakana sy ny mpitondra ara-drazana. Ny ankamaroan’ny ady hita eny amin’ny Fitsarana dia izay olona voaharohirohy fa nanao zavatra tsy mety na voatonontoona matetika amin’ny raharaha iray ny hatao “mandât de depot”. Fa ny raharaha ZAKARIASY kosa dia mahagaga, ny olona mahatratra ny mpanao ratsy indray no miditra am-ponja fa ilay olona meloka dia mandehandeha”.
Nambaran’ny Tangalamena Jaona Razafimandimby fa tsy vao voalohany akory no nisy nitory ity mpandraharaha ity, araka izao manaraka izao: “efa nisy nitory azy tany amin’ny Fitsarana ny profesora Zafy Albert kanefa dia natao “dossier sans suite”. Nitory azy koa ny Free FM kanefa dia gadra telo volana no valiny. Niteny sy nitory tany amin’ny BIANCO ihany koa ny Tangalamena ZAKARIASY Patrick dia izao “mandat de depot” izao no valiny”. Manao antso avo ho an’ny mpitondra fanjakana araka izany ny Tangalamena Jaona Razafimanimby sy ny zanak’i Maroratsy Brickaville ary ireo Ampanjaka manerana ny nosy hoe: ”Raha toa ka meloka ny Tangalamena Zakariasy Patrick dia gadrao, fa raha manana ny marina kosa izy ny afaho madiodio ary gadrao izay nanao ny meloka”. Manahy mantsy ireto mpitondra ara-drazana ireto fa mitady hanao tekika hamotsorana vonjy maika (libérté provisoire) ny Tangalamena ZAKARIASY ny mpitondra fanjakana. Manoloana izany indrindra àry dia nanambara ny Tangalamena Jaona Razafimandimby fa “tsy ekena izany; tsy LP no tadiavinay fa ny fahamarinana. Vonona hanohana ny Mandela Malagasy izay mijoro hanavotra ny firenena”

Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...