Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Mitaky ny hanendrena ny minisitra vaovao

28/11/2012

Ho tohin’ny fitokonana fanairana izay tsy nahitam-bokany , dia nanomboka afak’omaly ny fitokonana faobe izay notanterahin’ny mpiasa eo anivon’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny ala . Araka ny tazana teny an- toerana omaly dia mbola nitohy izany hetsika izany satria mahatsiaro tena ho miantso an-tany efitra izy ireo na dia miezaka manantona ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny voakasik’izao raharaha izao aza. Mangataka izy ireo amin’izany ny tokony hametrahana ny minisitra vaovao hitantana ity ministera ity mba hamaha ny olana mianjady amin’ny mpiasa. Araka ny voalazan-dRAKOTONIRINA Aimé joseph ary filohan’ny sendikan’ny mpiasa eo anivon’ity ministera voalaza etsy ambony ity mantsy dia tsy fantatra intsony izay tena tompon’andraikitra handraisana baiko eo anivon’ity ministera ity.

Marihina etoana moa fa fito volana izay no nanesorana tamin’ny toerany ny minisitra teo aloha Dr Joseph Randriamiarisoa, ary hatramin’izao dia mbola tsy tafa-petraka ny hisolo ny toerany. Manarak’izany ny mpikambana tao amin’ny kabinetrany dia mbola mandray anjara feno amin’ny fanam-pahan-kevitra eo anivon’ity ministera ity ihany. Raha araky ny fanehoan-kevitra nataon’ny filoha lefitry ny sendika ANDRIANTSALAMA come dia efa tokony nofoanana niaraka tamin’ny fanalana ny ministra teo aloha ny fanendrena tamin’ny alalan’ny didim-pitondrana ireo mpikambana ao amin’ny kabinetran’ny minisitra teo aloha ireo, manahirana ny mpiasa arak’izany ny fandraisana ny baiko satria ankoatr’ireo kabinetra taloha ireo dia efa nanendry an’i Emmanuel RAKOTOVAHINY tamin’ny alalan’ny “note de service” ihany koa ny praiministra mba hisolo sy hanampy azy amin’ny fitantanana ity ministera ity. Miteraka savorovoro eo anivon’ny mpiasan’ny ministera izany trangan-javatra rehetra izany ka nahatonga azy ireo nanapan-kevitra tamin’ny fivoriam-be notanterahin’izy ireo ny amin’ny hanatanterahana izao fitokonana faobe izao.
“Manoloana ny tranga sy ny tsy fanarahan-dalana izay miseho lany amin’ny alalan’ny gaboraraka eto amin’ny ministera” , hoy hatrany ny filohan’ny sendika dia mahatsiaro tena ho takalon’aina sy iharan’ny tsindry hazo lena ireo mpiasa noho ny ady lahy politika sy ny ady toerana. Noho izany, dia manaitra ny tompon’andraikitra voalohany voakasik’izao raharaha izao mba hamaha sy hijery akaiky ny olana mianjady amin’izy ireo. Misokatra ary vonona hatrany izahay, hoy ny mpitarika, amin’ny fifampidinihina amin’ny famahana ny olana mba hisorohana ny voka-dratsy mety haterak’izao fitokonana tanterahin’izy ireo izao.

Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...