Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Mitohy ny ampamoakan'ny kolonely Charles

03/12/2012

Tsy mitombina intsony ny filazana fa taratasy noforonina fotsiny ilay fanambaran’ny Kolonely Charles mahakasika ny fanonganam-panjakana izay nitranga teto Madagasikara ka nahatonga an’izao tetezamita izao teo amin’ny fitondrana. Araka ny efa nampanantenainy, sy efa natsidiny tamin’ny alalan’ireo gazety teto Madagasikara dia ny tenany mihintsy ankehitriny no nijoro ho vavolombelona tamin’ny alalan’ny raki-tsary video izay miely amin’ny alalan’ny tranokalam-pifandraisana (internet) amin’izao fotana izao. https://www.youtube.com/watch?feature=player_embedded&v=ZBfF_C2xmuI ; http://www.tananews.com/2012/12/videos-exclusifs-tnn-les-revelations-du-lieutenant-colonel-charles-andrianasoavina-3eme-partie/: Ireo no ahitana izany fanambarana nataon’ny Kolonely Charles izany.

Voatantaran’ity manamboninahitry ny Tafika Malagasy ity tamin’ny antsipirihany tamin’ny alalan’izany raki-tsary izany ireo antony ilazana fa tena fanonganam-panjakana no nitranga teto Madagasikara ary tompon’andraikitra amin’izany ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina. Voatataran’ny Kolonely Charles ihany koa ny tsiambara-telo manodidina ny raharaha 7 febroary sy ny raharaha 26 janoary izay, raha araka ny fanazavany dia tetik’ady nentina nandrodanana ny fitondran-dRavalomanana avokoa. Mbola isan’ireo tondroin’ny Kolonely Charles ho tompon’ndraikitra amin’izany ihany koa ny filohan’ny tetezamita. Mbola isan’ireo itondrany fanazavana ihany koa ny mahakasika ny fikasana hanongam-panjakana izay nataon’izy sy ireo manamboninahitra niaraka taminy teny amin’ny BANI Ivato. Ary tsy adinony ny nilaza ireo fikasana hamono azy teny am-ponja sy ny tsy fandiavan’ny fitondrana tetezamita ny saram-pitsaboany, ary ny fandrokidrokian’ny mpitondra azy mba hanao fanambarana manohitra ny ampamoaka izay efa nataony.
Marihina fa mbola any La Réunion, toerana nitsaboana azy hatramin’izao ny Kolonely Charles. Araka ny loharanom-baovao dia efa tsy ao amin’ny hôpitaly nitsaboana azy intsony ny tenany saingy mbola arahi-maso akaiky ny fandrosoan’ny fahasalamany taorian’ny fandidiana izay natao azy.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...