Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Tsy hanaiky izany ny ministeran’ny mponina

05/12/2012

Nihaona tamin’ireo mponina manamorona ny lalam-pirenena faha 7 eo anelanelan’ny tetezana Tanjombato sy Ankadimbahoaka, omaly, ny mpanolontsaina ambonin’ny Tetezamita Alain Ramaroson. Tonga teny an-toerana ihany koa ny talen’ny kabinetran’ny Ministeran’ny Mponina sy ny talem-paritry ny Mponina sy ny raharaha Sosialy eto Analamanga, Rakotonirina Angelo. Nandritra izany fihaonana izany no nahafantarana fa mitsipaka ny fandravana ny trano fonenan’ireo mponina amin’izany faritra izany ireo tompon’andrikitra ireo.

Tsy hita taratra ny fanadihadiana natao mikasika ny fandraisana fanampahan-kevitra handravana an’ireo tranon’olona manamorona an’ity lalam-pirenena ity raha araka ny fahitan’ny talem-paritry ny mponina sy ny raharaha Sosialy eto Analamanga, Rakotonirina Angelo. Nambaran’ity tomponandraikitra ity ihany koa fa tokony ho jerena akaiky ny zo fototra amin’ny maha-olona an’ireo fianankaviana ireo. Arak’izany rehetra izany dia nilaza ny tenany fa tsy ara-drariny ny fandravana kasaina hatao amin’izany faritra izany. Ankoatr’izay dia isan’ny nomarihan’ity talem-paritra ity ihany koa fa ny 60 ka hatramin’ny 65% n’ny fandravana trano eto an-toerana dia mankamin’ny tombontsoan’ny vahiny avokoa.
Ankoatr’izay dia isan’ny voatsiahy nandritra ity fahatongavan’ny CST Alain Ramaroson sy ny Talen’ny Kabinetran’ny ministeran’ny Mponina ary ny Talem-paritry ny Mponina sy ny Raharaha sosialy Analamanga ihany koa ny fiantraikan’ny fandravana trano teto an-drenivohitra hatrizay. Araka ny nambaran’izy ireo dia an-drivony ireo tsy nanan-kialofana vokatry ny fandravana trano ary nisy ihany koa ny maty vokatr’izany.
Marihina fa ny ministeran’ny Fanajariana ny tany no nandefa ny naoty laharana 105/12/VTDAT/SG/SGSF/DDPF/SECATT/EXPRO. Rahampitso 6 desabra no voalaza fa ho tonga eny an-toerana ny irak’ity ministera ity hihaona amin’ireo mponina mety ho ravana trano. Ireto farany izay mtsipaka tanteraka ny fandravana ny tranon’izy ireo, araka ny fantatra teny an-toerana. Fantatra ihany koa fa hangataka fihaonana amin’ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta ny mpanolon-tsaina avon’ny Tetezamita sady filohan’ny vaomieran’ny Fiarovana eo anivon’ny CST Alain Ramaroson, mahakasika an’ity raharaha ity. Notsiahivin’izy ireo fa efa nisy ny fanampahan-kevitry ny fitondram-panjakana Tetezamita tamin’ny 23 mai 2011 izay mandrara ny fandravana tranon’olona eto amintsika.

A.Ranaivo
Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...