Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive Politique

Tora-bato sy fandrahonana no nahazo ny Vaditany

07/12/2012

Mihasarotra ny fiatrehan’ireo vaditany ny asany, indrindra amin’ny fampiharana ny didim-pitsarana mahakasika ny ady tany izay mirongatra izay tsy izy amin’izao fotoana izao. Ohatra amin’izany ny nitranga tany amin’ny fokontanin’Analamboanio any antampon-tananan’i Toamasina. Voatora-bato ary nahazo fandrahonana ho faty ny vaditany izay tonga nanatanteraka ny didim-pisarana mandroaka ireo fianankaviana vitsivitsy izay resy teo anatrehan’ny Fitsarana ka voadidy hiala amin’ilay toerana.

Miseho amin’ny endrika maro ary miseho amin’ny sehatra maro ihany koa ny tsy fisian’ny tany tan-dàlana eto amintsika amin’izao fotoana izao. Tranga iray ahitana taratra izany no nisy tany Toamasina ny fiandohan’ny herinandro, izany he ny anatsinainy 03 desambra teo, rehefa tonga teny an-toerana hanatanteraka ny didy navoakan’ny fitsarana mahefa ny vaditany iray. Tora-bato sy fandrahonana no niandry ity farany nandritra izany fanatontosana ny asany izany.
Raha araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia efa hatrany amin’ny 31 aogositra taona 1994 no efa nisy didim-pitsarana mahakasika ny tany iray izay ipetrahan’ireo fianankaviana miisa 34 ao amin’ny fokontany Analamboanio ao Toamasina. Mirefy 9 ha sy 54 a sy 27 sa ity tany ifanolanan’ireo fianankaviana ireo amina olona iray ireo. Nandresy ilay olona iray voalaza fa tena tompon’ny tany raha araka io didim-pitsarana io ary nididian’ny fitsarana hiala amin’ny toerana ireo fianankaviana ireo. Didim-pitsarana izay mbola nohamafisian’ny didim-pitsarana maika laharana 264-AGR/10 ny 11 aogositra 2010, ary nampahafantarina ny mpisolovavan’ireo resy.ny 24 septembre 2012.

Nampiakatra ny ady teny amin’nu fitsarana ambony anefa ireto olona resy, ka 29 tamin’ireo 34 ihany no mpitory tamin’izay. Fangatahana fampiantoana ny didim-pitsarana mandrava ny tranon’izy ireo sy manala azy amin’ny tany no anton’izany fampakarana fitsarana ambony izany. Ny didim-pitsarana sivily CATO-89-REF/11 ny 15 novambra 2011 anefa dia nanamafy ny didy nivoaka teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany ary tsy manome rariny hatrany ireto olona voalaza fa mpibodo ny tany sy nampiakatra fitsarana ambony ireto. Vokatra io didim-pitsarana io, dia nisy koa ny famoahan’ny fitsarana didim-pitsarana ady maika araka ny fangatahan’ny tompon-tany lah:127-AGR-12 ny 20 aogositra 2012. Nambaran’ity didim-pitsarana ity fa tsy maintsy arodana ny trano ary miala ao anatin’ny tany “titre 6092-BA” ireto mpibodo ny tany.
Nandritra ny fanataterahana izany didim-pitsarana izany indrindra no naha-voatora-bato sy nahazo fandrahonana ho faty an’ilay vaditany.

Tag :

Le bureau du district de Soalala est presque en ruine. Aucun entretien n’est en cours et la bâtisse offre un spectacle désolant. C’est étonnant quand on sait que grâce aux minerais de fer que les Chinois ...

Niseho tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina ny komity mpanohana ny kandidà Pierrot Rajaonarivelo, mitondra ny anarana Vahatra izay hivondronan’ireo antoko politika sy fikambanana maro man ...

Quelques têtes politiques ont choisi depuis le début de ce mois, de se prononcer ouvertement contre la tenue des élections qui restent encore hypothétiques, malgré l’optimisme béat et servi ...

Nandritra ny valan-dresaka nataon’ny filoha teo aloha Ravalomanana, omaly, no nilazany ny fahitany ny akon’ny fivorian’ny Troika farany teo izay nanamafy ny fanohanan’ny fianankaviambe iraisam-pirenena ny firosoana amin’ny fifidia ...

Empêtrés dans les contradictions internes d’un ministère qui, à chaque changement de régime, perd de plus en plus de pouvoirs et de moyens, les commissaires et les contrôleurs économi ...

L’ancien président finira-t-il par soutenir un candidat à l’élection présidentielle sous la pression de la SADC ? Marc Ravalomanana a affirmé aux journalistes hier, lors d’une conférence d ...

Naneho ny heviny manoloana ny firosoana amin’ny fifidianana eto Madagasikara ihany koa ny antoko Pro Ravalomanana. Nambaran’ny mmpitarika an’ity antoko ity fa tsy mpanohana an-dRavalomanana akory izy ireo fa mpanohana ny foto-kevi ...

Naneho ny tsy fahafalian’ny mponina any amin’ny distrikan’i Soalala iny sy ny any amin’ny distrikan’i Besalampy ny solontenan’izy ireo izay tonga eto Antananarivo amin’izao fotoana izao. ...

Mbola tsy voatendry hatramin’izao izay olona hisolo ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tananan’Antananarivo teo aloha Edgard Razafindravahy izay efa nametram-pialàna noho ny maha kandidà amin’ny fifidianana filoham ...

A presque un mois de la date du scrutin présidentiel, le KMF/CNOE affirme le démarrage d’ici quelques jours de la sensibilisation électorale relative à l’utilisation du système de bulletin unique ...