Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d'informations et d'actualités, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

04/06/2015
N° 895

 

Recherche Journal

Mitaky fifampiraharahana mazava ny tambajotram-pokonolona

Mbola resabe any anivon’ny fiaraha-monina any amin’ny distrikan’i Toliary II ny fahafantarana fa misy orinasa mangataka fazoan-dalana hitrandraka fasimainty any amin’iny faritra iny. Mizara ny hevitry ny mponina any an-toerana. Misy ireo mihevitra fa làlana iray hitondra any amin’ny fampandrosoana ny faritra ny fisian’izany orinasa izany any an-toerana. Misy kosa ireo izay mahita fa tandindomin-doza ny fiarian-karena sy ny tontolo iainana ary fomba amam-panao maha izy azy iny faritra iny noho ny fisian’ity fitrandrahana fasimainty ity. Tamin’ny fanadihadiana natao tany amin’ny kaomina Tsihanisiha sy Ankilimalinika no nahafantarana fa mampiaka-peo, amin’izao fotoana izao, ny tambajotram-pokonolona izay mitaky amin’ny fitondram-panjakana ny mbola tsy hanomezana fazoan-dalana hitrandrahana fasimainty any amin’izany faritra izany. Mitaky ny hisian’ny fifampiraharahana mivantana eo amin’ny fokonolona sy ny mpandraharaha ary ny fitondram-panjakana izy ireo, mba ialàna amin’ny ahiahy rehetra momba izany fitrandrahana izany.

Nofitahina izahay. Tsy ekenay ny fitrandrahana fasimainty aty amin’ny faritra hivelomanay. Tsy marina ny filazana fa hitondra fampandrosoana aty aminay io fitrandrahana fasimainty io. Potika ny kolontsaina sy ny fomba amam-panaonay raha tanteraka ny fitrandrahana ny fasimainty ao amin’ny ala misy ny fasan-drazanay. Santionany amin’ireo fanehoan-kevitra nataon’ny mponina tao amin’ny kaomina Tsihanisiha sy Ankilimalinika ireo notanisaina ireo. Ny alarobia 27 mai lasa teo no nisy fivoriambem-pokonolona izay nandraisan’ny mponina avy amin’ireo kaomina ireo anjara. Ny tambajotram-pokonolona izay nahitana ireo fikambanana ifotony miaro ny tontolo iainana sy ny kolontsain’ny faritra no namolavola izany fihaonambem-pokonolona izany. Samy nasaina handray anjara tamin’io fivoriana io avokoa na ireo mahita fa hitondra fampandrosoana ho an’ny faritra ny fitrandrahana fasimainty, na ireo izay mihevitra fa loza mitatao ho an’iny faritra iny izany.
Fampandrosoana
Lalana iray mety hitondra amin’ny fampandrosoana ny faritry misy ny foko Masikoro sy ny Mikea ny fisian’ny fitrandrahana fasimainty, hoy ampahany amin’ireo fokonolona. Hanorina fotodrafitrasa maro toy ny làlana sy sekoly ary toeram-pitsaboana any an-toerana ireo orinasa hitrandraka io harena ankibon’ny tany io, raha araka ny fampanantenana nataony. Hamorona asa maro ho an’ny mponina ihany koa ny fisian’ny orinasa lehibe any an-toerana. Ankoatr’izay dia isan’ny fampanantenan’ny orinasa ihany koa ny fanonerana ny simba rehetra mandritra ny fotoam-pitrandrahana. Isan’izany ny tontolo iainana izay haverina amin’ny laoniny rehefa tapitra ny fitrandrahana. Eo ihany koa ny famindrana ireo toerana mana-tantara ho an’ny foko, toy ny fasan-drazana sy ny hazomangan’izy ireo. Amin’ny ankapobeny dia ireo no fanazavana azo tamin’ny fokonolona izay mpomba ny fanekena ny fidiran’ny orinasa mpitrandraka fasimainty any amin’iny faritra iny
Fanapotehana ny faritra
Tsy fampandrosoana fa fanapotehana ny faritra no entin’ity fitrandrahana fasimainty ity. Io kosa no voizin’ireo ampahany faharoa amin’ny mponina any amin’iny faritra iny. Antony maro no nambaran’izy ireo fa mahatonga izany. Voalohany amin’ireny ny fahapotehan’ireo tahirin-javaboahary misy ao amin’io faritra io izay hany harena azo antoka fa ho lovain-jafy. Tsy marina velively, hoy izy ireo, ny filazana fa azo averina toy ny teo aloha ny zava-boahary izay nopotehyna nandritra ny fitrandrahana. Sarotiny amin’ny loharano tokana izay hany manondraka ny faritra misy azy ireo ihany koa ny mponina. Raha maloto na ritra io tahirin-drano io, hoy izy ireo, dia tsy hanana rano azo antoka intsony iny faritra manontolo iny. Sarotiny amin’ny fomba amam-panaony ihany koa ny mponina ka nanamafy fa ny famindrana ny fasan-drazan’izy ireo dia midika fanapotehana tanteraka izany fomba amam-panaony izany. Nambaran’izy ireo fa tsy midika ho fampandrosoana velively ny fisian’ny efitrano fianarana sy ny tobim-pitsaboana na ny fotodrafitrasa hafa any an-toerana. Ho azy ireo dia ny fampiroboroboana ny asa fanaony an-davanandro, toy ny fambolembary sy ny fiompiana omby ary ny fiarovana ny ala mba ho lasa tahirin-karena maharitra ho an’ny taranaka no atao hoe fampandrosoana. Ireo anefa no ho potika raha ekena ny fitrandrahana ny fasimainty. Marihina fa nisy tamin’ireo fokonolona no nanamarika fa araka ny voalazan’ny manam-pahaizana dia ho tonga faritra anjakan’ny horohoron-tany toy ny any amin’ny faritra sasantsasany any Azia iny faritra iny rehefa lasa avokoa ireo fiarovana voajanahary nisy tao amin’ny nofon-tany. Mbola mampiahiahy azy ireo ihany koa ny haretina mety hateraky ny akora sy ny fitaovana hampiasaina mandritra ny fitrandrahana.
Fifampiraharahana fa tsy fakan-kevitra ifotony
Fantatry ny mponina any amin’ny faritry ny Mikea sy ny Masikoro fa efa miandry ny fazoan-dalana avy amin’ny fanjakana ny orinasa iray izay mihevitra ny hitrandraka fasimainty any an-toerana. Nambaran’izy ireo anefa fa tsy tafa-paka tanteraka tany anivon’ny fiaraha-monina ny fakan-kevitra momba ity fitrandrahana fasimainty ity. Tany amin’ny faritra sasany dia nahatsiaro voafitaka ireo fokonolona izay nanatrika ny fakan-kevitra satria taratasy manamarina ny fahatongavana no nosoniavin’izy ireo, na ny “fiche de presence” izay tsy midika ho fanekena ny hidiran’io orinasa io velively. Nisy ihany koa anefa ireo nijoro ho vavolombelona nilaza fa nomena vola ho takalon’ny fanaovana sonia ny ampahany maro tamin’ireo voalaza fa nanaiky izany.
Eo anatrehan’ireo rehetra ireo dia mitaky ny tsy hirosoana amin’ny fanomezana fazoan-dalana hitrandraka fasimainty any amin’ny faritry ny Masikoro sy ny Mikea ny Tambajotram-pokonolona. Mitaky ny fifampiraharahana marina momba ity raharaha ity izy ireo satria tsy mety raha fakan-kevitra ifotony no atao.

Tag :