Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

« Izy no nahatoa izao ahy ! »

12/12/2012

Dia nataon’ny HAT andro tsy fiasana kanefa handraisan-karama ny datin’ny 11 desambra. Ho fankalazana ny tsingerin-taonan’ny Repoblika faha-IV hono e! Fa inona ity ataon-dRajoelina sy ny forongony ity e? Tsy izy ireo ihany ve no nanapotika ny sehatra tsy miankina teto noho ireny raharaha 26 janoary 2009 ireny satria ny tenany (Andry Rajoelina) no nitarika ny olona hidina an-dalambe. Mazava ny tenin’ny jeneraly Ravalomanana Richard fa izay mitarika ny olona hidina an-dalambe no tomponandraikitra amin’ny fahasimban-javatra. Niharo vonoana olona sy aina nafoy maro dia maro anefa iny Alatsinainy Mainty iny. Izao indray mbola terena handoa karama kanefa tsy havela hamokatra ireo sehatra tsy miankina noho ity tsingerin-taonan’ny Repoblika faha-IV ity.

Tsy dia izay loatra no tiana horesahana eto; ilay Repoblika faha-IV hankalazaina sy hanaovana fety be isan-taona ity mihitsy no mampametra-panontaniana. Efa ao anatin’ny Repoblika faha-IV tokoa àry ve izany i Madagasikara; Andry Rajoelina ve izany no filohan’ny Repoblika faha-IV? Fa angaha tsy Tondrozotra indray no hivavahanareo ao amin’ny fitondrana ao e? Tsy izao Repoblika faha-IV lazainareo izao mihitsy no nampiakatra an-dRajoelina teny amin’ny lampihazon’ny ONU fa ny Ravin-dalana. Zavatra tsy misy akory raha ny tena marina ity repoblika hanerena ny vahoaka tsy hiasa sy tsy hamokatra ity. Tsy vitan’ny hoe tsy misy fa na izy ireo namorona azy aza tsy manaja izany Repoblika faha-efatr’izy ireo izany; valalan’alika hoy ny fitenenana ka ny tompony aza tsy tia!
Maninona anefa raha notsorina fotsiny ny resaka hoe “tsy maintsy mankalaza miankohoka amin-dRavatomanga ianareo vahoaka fa izy no naha toa izao ahy!”. Iza anefa no tsy mahafatatra fa orinasan-dRavatomanga filoha tale jeneralin’ny SODIAT no nomena ny fanamboarana io kianjan’Antsonjombe io? Izay no tena marina mikasika iny lanonana omaly iny, fihobiana an-dRavatomanga fa izy no naha toa izao ny filoha Rajoelina fa tsy ireo vahoaka eny ambany tanàna maty sy naratra nandritra ny zava-niseho ny taona 2009. Deraina anie ianao, hankalazaina ny anaranao, ho to anie ny fanjakanao fa ianao no naha toa izao azy!

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...