Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Jiro mena !

07/11/2012

Nanaitra ny mpanara-baovao tokoa iny fidinana an-dalambe nataon’ny taranaka Razafimahefa sy Razafitsara mpandova ny tany mitondra ny titra 6336-B eny Antanandrano, teo anaoloan’ny Ocean Trade Andraharo omaly. Mirehitra ny jiro mena, izay no azo hamintinana azy. Efa tsy mahatoky ny Fitsarana sy ny didy avoakany intsony mihitsy ny olom-pirenena. Ahoana tokoa no hisainana iray minitra monja fa ny tany izay lova navelan’ny razambe izao no hanjavona tampoka lasan’ny vahiny tampoka eo! Didim-pitsarana izao no nanome rariny ireo mpandova kanefa sora-tanana mpitsara iray amin’ny stylo dia ampy nanova izany ddim-pitsarana izany ka nahatonga iny fidinana an-dalambe iny.

Loza mitatao ho an’ny firenena anefa izay tsy fahatokisan’ny vahoaka ao aminy ny Fitsarana sy ny didy havoakany izay. Izany anton’ireny fidianana an-dalambe, fitsaram-bahoaka, valifaty, fanafihana fonja sy lapan’ny Fitsarana ireny. Izany no antony nanaovan’ny fianakaviamben’ny mpitsara ilay Fikahonandoha tetsy amin’ny lapan’ny Fitsara Tampony; hatramin’izao nefa tsy misy tohiny indrindra ny fampiharana ireo tsaokevitra maro nivoaka avy tamin’izany. Mbola kilalaon’ny mpanao politika sy ny Fahefana mpanatanteraka ny Fitsarana eto amintsika; tsy azo antoka ary tsy maharesy lahatra ny fanapahan-kevitra sy ny didim-pitsarana mivoaka amin’ny anaran’ny vahoaka Malagasy. Mirehitra araka izany ny jiro mena.
Ohatra goavana amin’izay tsy fahatokisan’ny vahoaka ny rafi-pitsarana sy ny fahefa-pitsarana izay ny zava-misy any Atsimo. Tany misy fanjakana sy tan-dalana ve dia hisy fitsaram-bahoaka nahafatesana ain’olona an-jatony? Tsy vitan’ny resaka tsy fitokisana intsony ny olana eo anivon’ny Fitsarana eto amintsika fa tsy to teny intsony koa. Amin’ny fomba ahoana no haneken’ny olom-pirenena ny hasin’ny Fitsarana, raha olona nogadraina sy nomelohin’ny Fitsarana izao no navoaka fotsiny teny Tsiafahy ny taona 2009 satria hoe gadra politika! Nomena fahafahana avokoa ireo mpaindry fonja voarohirohy tamin’ilay fanafihana ny Acces Banque satria nandrahona hikomy.
Mirehitra tanteraka ny jiro mena eto amin’ny firenena. Tsy ho voafehy intsony ny vahoaka raha mbola mitarazoka izao krizy izao. Mitaky vahaolana haingana sy matotra hamerenana amin’ny laoniny ny rafi-piarahamonina, indrindra ny rafi-pitantanan-draharaham-panjakana. Aoka izay ity politikam-panjanahana mifehy ny rafitra eto amin’ny firenena ity. Firy akory ireo olona very tany sy miditra am-ponja mihitsy aza noho izany fiarovany ny taniny izany. Mba sahala amin’ny ahoana tokoa raha misy orinasa Malagasy maka tanin’olona any Pakistan na any Frantsa any? Mipetraka ihany koa anefa ny fanontaniana manao hoe: mendrika izany fahaleovantenany izany tokoa àry ve ny mpitsara sy ny Fitsarana eto amintsika? Rahoviana ny mpitondra vao hijery sy tena hiahy ny vahoakany mba ho tanteraka ny antsoina hoe fiarovana ny ain’ny olona sy ny fananany?

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...