Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Dia ahoana amin’izay ?

13/10/2012

Nanao ampamoaka mikasika ny resaka fanondranana « bois de rose » ny tangalamena Zakariasy Patrick omaly tetsy amin’ny Colbert. Na ny profesora Zafy Albert milaza azy ho olon’ny fahamarinana aza tsy nahavita ny vitan’ity tangalamena iray ity izay tena manaporofo ny fitiavan-tanindrazana. Azony natao tsara ny nivarotra iny vaovao iny tany amin’ny Mainland Mining sy ny orinasa Sodiat, tahaka ny fanaon’ny mpanao politika sasany. Tsy izany anefa no nataony fa namaky bantsilana ny fambotriana ny harem-pirenena ataon’ireo olona akaikin’ny filoha Andry Rajoelina ary ireo orinasa vahiny mpiray tsikombakomba amin’izany.

Nanao ampamoaka mikasika ny resaka fanondranana « bois de rose » ny tangalamena Zakariasy Patrick omaly tetsy amin’ny Colbert. Na ny profesora Zafy Albert milaza azy ho olon’ny fahamarinana aza tsy nahavita ny vitan’ity tangalamena iray ity izay tena manaporofo ny fitiavan-tanindrazana. Azony natao tsara ny nivarotra iny vaovao iny tany amin’ny Mainland Mining sy ny orinasa Sodiat, tahaka ny fanaon’ny mpanao politika sasany. Tsy izany anefa no nataony fa namaky bantsilana ny fambotriana ny harem-pirenena ataon’ireo olona akaikin’ny filoha Andry Rajoelina ary ireo orinasa vahiny mpiray tsikombakomba amin’izany.
Voaporofo izao fa tena mpanondrana « bois de rose » ny orinasan’i Mamy Ravatomanga. In-droa nisesy izao no tratra nanao ity heloka ity ny orinasany. Ny voalohany nahavoarohirohy ny tale iray antsoina hoe Nary Le Navire izay “migadra” dimy taona; faharoa ny Sodiat Trans izay niray petsapetsa tamin’ny Mainland Mining. Dia mbola hisy hilaza indray ve fa tsy tafiditra ao anatin’ny trafika-na “bois de rose” i Ravatomanga Mamy? Dia mbola hisy sahy hiteny koa ve fat any misy fanjakana eto amintsika?
Mazava izao fa mpiray tsikombakomba amin’ireo olon-dratsy eto amin’ny firenena avokoa ny andrim-panjakana rehetra eto amin’ny firenena. Ao anatin’izany ireo mpiasam-panjakana ambony ary ireo sampan-draharaha manokana isan-tsokajiny. Dia hisy hilaza ve fa tsy manana ireny “renseignements” na ireny porofo mikasika ny orinasa Sodiat sy ny topmpony Mamy Ravatomanga ny Bianco? Sarotra ihany ny hino izany ary soa ihany fa mbola misy olona tia tanindrazana tahaka ny tangalamena Zakariasy Patrick, sahy nijoro teo anatrehan’ny famotehana ny firenena rehefa tsy hanao na matahotra izay tomponandraikitra tokony hanao izany.
Efa nivoaka amin-kalalahana i Lalatiana sy Fidèle. Nosamborina sy notànana “violon” izy miandahy ny datin’ny 2 may 2012 noho ny fitoriana nataon-dRavatomanga Mamy. Nametraka fitoriana teny amin’ny Bianco izy ireo taorian’izany ny datin’ny faha-4 may 2012, fotoana nitorahan’olon-tsy fantatra vato be ny fiara nitondra azy ireo teny Ambohibao. Tsy navelan’ny marina tsy hipoitra anefa ankehitriny ny zavatra nambaran’izy mianadahy tao amin’ny onjampeo Free FM mikasika ity resaka fanondranana “bois de rose” ity. Raha ny re farany aza dia tsy noraisin’ny Bianco hono ny fitoriana napetrak’i Lalatiana sy Fidèle; ny fotoam-pitsarana azy miandahy indray aza no naroson’ny Fitsarana. Ka ahoana amin’izany e! Niteniteny foana ve ireto mpanao gazetin’ny Free FM ireto sa ny mpitondra no tsy mahazaka ny mangaraharaha?
Farany, teo anatrehan’ny mpanao gazety vahiny avy ao amin’ny RFI no nanambaran’ny tangalamena Zakariasy Patrick iny ampamoaka goavana iny. Sahala amin’ny ahoana ny mety ho fihetsiky ny firenena vahiny indrindra ny fianakaviambe iraisam-pirenena?

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...