Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Mametra kely !

24/10/2012

Mitohy hatrany ny hetsika fampandriantany any Atsimo hiarahan’ireo vondrona manoakana avy ao amin’ny Foloalindahy toa ny FIS, ny RAL, ny RTS, ny CFS. Tena tapitra mandry tokoa ireo olona sendra ireo andian-tafika nalefan’ny filoha Rajoelina any an-toerana ireto, araka ny vaovao azo. An-jatony ireo efa “mandry” nandritra ny fifandonana teo amin’ny mpitandro filaminana ary ireo dahalo. Mbola fanontaniana mipetraka ny hoe: “tena dahalo avokoa ve ireo mandry ireo?”. Tsy ny olona ihany anefa no mandry fa hatramin’ny omby ihany koa, araka ny fanampim-baovao azo. Izay tokoa angaha no antsoina hoe fampandriantany!

Tsy ny any Atsimo ihany anefa no tapitra mandry fa ny vahoaka manerana ny Nosy mihitsy na dia samy manana ny fomba fisehony aza: ao ireo mandry noho ny tsy fihinanan-kanina sy ny fahantrana, ny mandry noho ny asan-jiolahy, ny mandry noho ny aretina, sns. Tapitra mandry ny Malagasy ary tena mahomby mihitsy ny fampandriantany ataon’izao fanjakana Tetezamita izao.
Tsy vao izao akory no nandalo tetezamita ny firenena; hafa kosa anefa ity indray mitoraka ity: mandriaka ny rà, am-pototry ny ady an-trano ny Malagasy, avo dia avo ny tahan’ny fahantrana sy ny tsy fisian’asa, mandry an-driran’antsy ny vahoaka noho ny tsy fandriampahalemana ary ny tena loza dia tsy hita taratra mihitsy izay mety ho vahaolana. Mandry avokoa araka izany ireo loharanom-bola avy any ivelany, mpamatsy ireo tetikasa miantefa mivantana amin’ny vahoaka; mandry tahaka izany koa ny fanantenana.
Tsy takona afenina intsony ny fahavoazan’ny firenena noho izao krizy izao. Mandrimandry manana aretina anefa ireo heverina ho olobe, ray aman-dreny ary indrindra ny avara-pianarana. Efa mandry koa angamba ny atidohan’izy ireo ka izany no anton’izao fahanginana sy fitazanam-potsiny ny fahapotehan’ny tanindrazana izao. Tsy homen-tsiny ihany anefa izy ireo: izay mba miteny ny zava-misy marina eto amin’ny firenena tokoa mantsy tapitra mandry noho ny horohoro sy ny ramatahora ataon’ny mpitondra. Tsy misy sahy mijoro intsony tokoa afatsy ny tangalamena Zakariasy Patrick. Maro mantsy izay nampandriana tamin’ny alalan’ny vola, ny fandrahonana ary ny fisamborana.
Mandry vokatr’izany rehetra izany ilay fitiavan-tanindrazana; mandry teo koa ilay fanamby ho amin’ny fanovàna nanaovana sorona ny aina. Izay no antsoina hoe fampandriantany ary tena manavanana ity fitondrana ity mihitsy io taranja io: tapitra mandry ny zava-drehetra. Izany hoe toekarena sy ekonomia izany aloha dia efa teny tsy fampiasa intsony satria mandry avokoa ny asa fandraharahana. Tsy vitan’izany fa mihazakazaka izay tsy izy manohy ny jadon’ny mpitondra anatin’izay tontolon’ny fandraharahana izay ihany koa ny filohan’ny GEM, Noro Randriamamonjiarison. Mba mametra kely hanarenana ny Rova e!

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...