Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

May Ambondrona !

13/12/2012

Fa nahoana no tsy sahy nilaza izay tao am-po e ? Raha ny fanirian’ny filoha Rajoelina nandritra ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe mantsy dia ny nametraka fanontaniana tamin’ireo olona tonga teny nanao hoe: “ekenareo ve ny hilatsahako ho filoha?”. Saingy, natahotra ny valinteny ho “tsia” angamba ka nihemotra tsy fidiny. Loza izany, izay tokoa no tonga amin’ilay oha-pitenenana manao hoe: “te hividy ny lohany kanefa matahotra ny masony”. Niandry mafy ireo olona tonga teny Antsonjombe hihoby azy ho kandidà mihitsy angamba ny filoha Rajoelina; hariva ihany anefa ny andro. Olona hiala voly hijery lanonana tsy misy vidim-pidirana ange ireny e! Aiza kosa indray no hahita fety be tsy andoavam-bola amin’izao krizy izao?

Dia sanatria ve marina tokoa ilay anaram-bositra nomen’ny zanaky ny dada hoe foza orana e? Toa mihemotra isaka ny mamindra mantsy ity fitondrana Tetezamita ity. Raha azon’ny fitondrana natao angamba ny nanendry ny mompera Pedro ho praiminisitra dia efa nataony. Toa mahazaka olona tokoa mantsy ity mpanorina ny Akamasoa ity ary dia feno hipoka ny kianjan’Antsonjombe. Ny mpanohitra moa no nambaran’ity mompera ity ho sakana amin’ny famahana ny krizy; asa iza tokoa izao no tena sakana taorian’ireny fanapahan-kevitry ny SADC farany teo ireny!
Tsy nisy fitsaharany ny fivoriana nanomboka omaly, taorian’ny fanambarana nataon’ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana, ny amin’ny tsy hilatsahany hofidiana ho filoham-pirenena. May Ambondrona, hoy ny fitenenana satria mitodika any amin’ny filoha Rajoelina avokoa ny mason’izao tontolo izao. Hotsaraina amin’izay tokoa mantsy ny tena fitiavan-tanindrazana fambarany isaka ny mandray fitenenana. Mazava ny tenin’ny SADC fa ny tsy filatsahan’izy roalahy no vahaolana amin’izao krizy izao. Fa hanaiky izany ve ireo CT sy CST tsy ho lany amin’ny fifidianana, indrindra ireo manamboninahitra manan-draharaha mihantona noho ny zava-nitranga teto amin’ny firenena?

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...