Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Mameno lavaka !

22/12/2012

Mangidy ho an-dRajoelina sy ny mpiara-dia aminy ity krismasy 2012 sy ny taom-baovao 2013 ity, taorian’ny fanapahan-kevitry ny SADC sy ny vely kibay nataon’ny Lafrantsa. Izay ilay hoe misy farany zavatra rehetra ary ny natao ihany no miverina: nampiditra am-ponja ireo tsy mitovy hevitra taminao no nataonao nandritra ny naha teo amin’ny fitondrana anao; dia ho toa izany koa no hanjo anao. Nangorona ny harem-pirenena sy nihinana ny volam-bahoaka no fialamboly nahazatra anao; hotakiana aminao daholo izany aoriana ao. Namita-bahoaka sy nanao tohatra fiakarana ny ràn’ny olom-pirenena latsaka no mba valisoa nomenao ny mpiray tanindrazana aminao; dia tsy maintsy hotsarain’ny vahoaka ianao.

May volon-tratra tanteraka ireo mpiara-dia amin-dRajoelina taorian’iny tsy fahafahany milatsaka hofidiana amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika faha-IV. Maro amin’izy ireo no efa manao topi-maso amin’ireo kandidà efa nanambara ny fahavononany amin’izany fifidianana izany; ny sasany aza efa manambara mihitsy fa vonona hanampy ara-bola raha ilaina. Any amin’ireo tokoa aloha no misy ny vola amin’izao fotoana izao e!
Mpanao politika sy antoko politika firy, milaza ho manohana ny filoha Rajoelina ireo ve dia tsy manana olona hafa hasolo ny filohan’ny Tetezamita mihitsy? Maninona raha i Haja Resampa na Hajo Andrianainarivelo na Annick Rajaona na Naivo Raholdina no hatolotra rehefa tsy mahazo milatsaka i Andry Rajoelina? Rehefa tena tsy mety daholo izany anarana rehetra izany, inona no olana raha Ratsirahonana Norbert Lala na Lanto Rakotomavo? Katraka avokoa ange izany anarana voatanisa etsy ambony izany e! Nitazona fanjakana nandritra ny efa-taona aza vitan’izy ireo mainka fa hiatrika fifidianana. Sady mamim-bahoaka daholo koa; porofon’izany ireny olona maro be tonga teny amin’ny kianjan’Antsonjombe sy Andohatapenaka ireny!
Mbola ho hita eo aloha izany; ndrao dia be kajikajy fotsiny eo kanefa mahazo milatsaka ihany ny filoha Rajoelina. Ny zavatra azo atao tsy hiandrasana izay ho filatsahany na tsia dia ny fanangonana araka izany azo atao; mameno paosy e! Fenoina daholo rehefa mety ho lavaka amin’ny vatana: lavak’orona, lava-tsofina, ny vava, ny vo…! Amin’izay mba tsy mijaly loatra rehefa mba…“exilés”!

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...