Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Minoa fotsiny ihany e !

02/01/2013

Tsy nisy zavatra tena nisongadina sy mety nahitan’ny Malagasy tsirairay tombony, ny kabary nataon’ny filihan’ny Tetezamita, tamin’ny alin’ny 31 desambra 2012 teo. Avy hatrany dia ny nitanisa ireo lazainy fa Fampandrosoana Isam-paritra, sokajina amin’ireo lazaina fa zavabita no nahamay azy.

“Hôpitaly Manara-penitra”, “Trano Mora”, “Trano be Fonenan’ny Mpianatra”, “Coliséum de Madagascar”, “Kianja Makis” ary ny fampitaovana ny Air Madagascar, tamin’ny alalan’ireo“Fiara manidina ELATRA - AIRBUS A340” no voalazany fa fanamby tanteraka nandritra iny taona lasa iny. Tsy resahan-tsika eto akory fa ireo rehetra lazaina fa fanamby notanterahana ireo dia mbola misy olana manaraka hatramin’izao, raha tsy hiteny fotsiny afatsy ny tsy fisian’ny dokotera hiasa any amin’ireo Hôpitaly Manara-penitra. Iaraha-mahalala koa ny mbola fahasahiranan’ny Air Madagascar na dia teo aza ny nahazoana ny Fiara manidina ELATRA - AIRBUS A340. Tsy ela fa vao tamin’ny faran’ny taona iny no nisy ny fihetsiketsehana nataon’ny mpandeha tany La Réunion, noho ny fahataràna be nisy tamin’ny zotran’ny Air Madagascar. Mahatonga ny saina hiverina amin’ilay fitenenana nalàza tamin’ny andron’ny fitondrana Ravalomanana hoe : angaha azo ho anina ny làlana ? Fa raha jerena amin’ny maso tsy miangatra dia ireo fotodrafitrasa « manarapenitra » ireto no maha-te hanontany hoe azo ho anina angaha ?
Tsy tsapan’andriamatoa Rajoelina mihitsy, nandritra iny kabary faran’ny taona iny, ny fahasahiranana mianjady amin’ny vahoaka Malagasy. Tsy nasiany sira na dia kely akory aza ny fahantrana isan-tokantrano, ny tsy fandriampahalemana izay miteraka areti-tsaina ho an’ny ankamaroan’ny Malagasy. Mba tsapany ve fa tena efa faty mitsangana sisa ny ankamaroan’ny Malagasy? Marary izany ny vahoaka Malagasy. Marary mila fitsaboana. Izay mihitsy angamba no antony nanamboarana ireny “Hôpitaly Manara-penitra” ireny, mba hanasitranana ny Malagasy. Mampiomehy anefa fa na ny mpitsabo tokony hiasa ao amin’izy ireny aza mbola any an-kibon’ny omby. Nisy ireo mpitsabo efa miasa amin’ireo sasantsasany amin’ireo Hopitaly efa misy taloha, no tambatambazana hiasa amin’ireo “manara-penitra. Dia fampandrosoana Isam-paritra tanteraky ny fitondrana hono izany. Dia ny tena no menatra.
Ireo lazainy fa zava-bitan’ny fitondrany ihany no nasongadiny ary tsy misy mihitsy ny olana. Hisy tokoa ve ny sain’ny vahoaka hifantoka amin’izay fifidianana mety ho avy eo ? Asa re…
Firariantsoa ho an’ireo izay “mahatsiaro tena fa irery, ireo kamboty, ireo tsy salama, ireo tsy misy mpiahy, ary koa ianareo Malagasy rehetra ao anatin’ny tebitebin-tsaina sy fangirifiriana, noho ny antony maro samihafa” moa no namaranany ny kabariny. Toa midika fa tsy misy azon’ny fitondram-panjakana hatao ho an’ireo olona ireo, kanefa ny sasany mahazo tombontsoa mihoam-pampana. “Mitsidika anareo isam-baravarana ny Tenako, ary mirary faran’ny taona feno fitoniana sy fitokisana ny Ho Avy, ka mba ho ampitso mamiratra sy feno hafaliana, ao anatin’ny fahasalamana sy fahombiazana anie, no miandry antsika rehetra”, hoy Andry Rajoelina, raha nitodika tamin’ireo sahirana ireo izy. Raha jerena dia tsy hita izay maha-samihafa izany fitenenana izany amin’ilay hoe “Minoa fotsiny ihany”.

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...