Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Tsy namako ny pédé ?

11/01/2013

Noheverina ho olo-manan-kaja sy mpitondra fanjakana avokoa ireo nasain’ny filoha Rajoelina teny Iavoloha omaly, hay jomaka mihoatra lavitra noho ny mpivarotra anana, hoy ny fitenenana. Ireny ve no handaniana volam-bahoaka firy miliara isam-bolana sa ireny no antsoina hoe mpanao politika manara-penitra? Mahita tsirony ery ny filoha Rajoelina mandre ireo mpomba azy mihorakoraka sy mively lovia nandritra ny kabarin’ny filohan’ny Kongresy, Mamy Rakotoarivelo. Ireny karazan’olona ireny no handanian’ny fanjakana ny volan’ny mpandoa hetra, ambany fisainana lavitra noho ny jiolahim-boto.

Fa dia inona loatra aloha no nahatonga ilay ohatra noraisin’ny filoha Rajoelina hiantefa mivantana tany amin’ireo pédé e? Fa dia nanao inona loatra indray àry ny pédé eto amin’ny tanàna no dia nahazo loza tamin’ny filohan’ny Tetezamita tahaka ireny? Marina tokoa fa maha sadaikatra ny mahita lehilahy mitia lehihahy na vehivavy mitia vehivavy. Mba tsy fidiny ho azy ireo tahaka ny vahoaka Malagasy voatery mihafy noho ny fitiavan-tsezan’ny mpitondra ihany koa ange izy ireny e! Tsy ho naman’ny filoha Rajoelina mihitsy araka izany ireny pédé ireny.
Tsy izay hivoahan’i Madagasikara amin’ny krizy no hamakian’ny filoha Rajoelina ny lohany; resaka tsy mampiasa sain’ny olona ery indray no nanasany vangy! Fa nisy inona mihitsy no dia tofoka sy leo amin’ireto pédé ireto ny filohan’ny Tetezamita e? Ndrao dia pédé kosa ary no nikotrika ireny fanonganam-panjakana miaramila in-telo teto nandritra ny Tetezamita ; sa pédé daholo koa ireo mivoy ny « ni…ni » ?
Aleo havela eo iny resaka manorisory iny ; ny fahantram-bahoaka aza ity efa tsy hita izay hanaovana azy. Fa toa nasian’ny filoha Rajoelina resaka mihitsy tokoa ny fahantram-bahoaka e? Tsy naman’ny filoha tahaka ireo pédé koa angaha ireo vahoaka miisa 8.800.000 miaina anaty fahantrana lalina, araka ny tatitra navoakan’ny Banky Iraisam-pirenena! Tsy maninona izany, aleo halan’andriana toa izany halam-bahoaka.

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...