Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Tendan-CAN !

31/01/2013

Tongan-dRamalagasy hatreny ambony kianja amina lalao iraisam-pirenena mihitsy ny kolikoly. Ho an-dry zareo vahiny mantsy dia niray petsapetsa tamin’ny tetika maizina namontsanana an’i Cap Vert tsy handraisany anjara amin’ny fihodinana faharoa mandritra ny CAN mihitsy ilay mpitsara gasy, « arbitre » araka ny fiteny mahazatra. Lasa mahamenatra ny mitonona imason’olona fa Malagasy ny tena. Ny halatra, ny fivarotan-tena, ny fanondranana rongony mahery vaika no tena mampalaza ny Malagasy any ivelany, raha tsy hiresaka afatsy ny atsy La Réunion sy ny Nosy Maorisy. Nidehaka ery ny sasany nividy ny CAN sy ny CAF 360.000 euros kinanjo, fahafaham-baraka ho an’ny Malagasy 20 tapitrisa no hita. Aza mba gasy ihany e!

Inona moa no maha samy hafa ity mpitsara baolina kitra ity amin’izao HAT izao? Mitovy fa tsy sahala hoy ny fitenenana. Tsy izay tokony atao no hiasana saina fa any amin’ny zavatra tsy hitondra tombotsoa ho an’ny fiainam-bahoaka no hibitabitahana. Efatra taona izao no nisian’ny krizy; noho ny fitiavan-tseza sy vola ary voninahitrasy anefa dia mbola tsy hita taratra amin’ny fihetsiky ny filoha Rajoelina sy ny forongony ny fahavononana hanafaka an’i Madagasikara eo ambanin’izany fahoriana mahatsiravina izany. Aza mba gasy e! Vao tafapetraka eo ambonin’io seza io dia ny hifikitra eo no masaka ao an-tsaina. Mba dedaka ery ireto manodidina an-dRajoelina ireto milaza fa tsy Afrikana hono izy ireo fa Malagasy; inona hono no maha samy hafa an-dRajoelina amin’ireo mpitondra jadona afrikana? Mihetsiketseha eo ange raha tsy te hahita loza e! Vonona “handeha lavitra” mihitsy mantsy hono ireto mpitondra ireto raha misy manelingelona azy ireo. Samy mahafantatra ny tiana hambara amin’izany hoe “handeha lavitra” izany daholo angamba.
Izay mihitsy izany isika Malagasy. Tsy mahazaka izany tafakatra amin’ny toerana avo izany. Jereo fotsiny, mpitandro filaminana barety roa dia efa tsy manaiky raha tsy antsoina hoe “sefo”; CT sy CST tsy voafidim-bahoaka ery dia mihevitra ny tenany ho tompon’ny tany sy ny fanjakana, sns. Aza mba gasy ihany e! Ohatra ny nakarina tamin’ny “krika” izany mihitsy ny sasany rehefa mba voatendry amina seza na nomena andraikitra somary ambonimbony. Ao ambadik’izany fisehoana ivelany izany anefa: kolikoly! Tsy mahagaga mihitsy raha tongan’ilay mpitsara baolina kitra tany amin’ny CAN ny toetra ratsy mampalaza an-dRamalagasy. Ka samy tendan-CAN sy sain-CAN daholo manomboka any amin’ny mpitondra.

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...