Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Mora Manadino !

06/02/2013

Hialana tsiny indrindra amin’ireo mpandàla ny teny Malagasy aloha amin’io lohanteny hoe « aza dino » io. Olobe noheverina ho ray aman-dreny hitaiza sy hanabe ny zanaka Malagasy mantsy no niteny ho ren-tany sy ren-danitra io « aza adino » io ary dia lasa fomba fiteny mahazatra izany ankehitriny.

Tsy azo ekena ny herisetra, tsy fomban’ny tany mandalà ny demôkrasia ny fampiasana herin-tsandry koa na iza na iza misafidy izany fomba amam-panao mamohehitra izany dia meloka avokoa. Tsy amin’ny alalan’ny hery sy sandry intsony no fomba hifandresen-dahatra amin’izao taonjato izao. Zava-dehibe teo amin’ny fiaraha-monina Malagasy izany fanajana zoky ray aman-dreny izany, indrindra amin’ny maha krisitiana ny Malagasy manaja ny tenin’ny Soratra Masina manao hoe: “manaja ny rainao”.
“Aza adino” fa misy antony avokoa ny zava-drehetra. Tsy tonga ho azy ny tranga iray araka ny fomba fiteny mahazatra manao hoe : « ny Hitsikitsika tsy mandihindihy foana fa ao raha ! ». Misy zavatra efa tsy zakan’ny olona intsony matoa tonga tamin’ireny fanenjehina an-dRatsirahonana tany amin’ny hotely nisy azy. Fa toa ririnin-dasa tsy tsaroana tokoa ny zava-nisy teto amin’ny firenena sa isika Malagasy mihitsy no Mora Manadino satria norebirebena tamin’ny Vary Mora sy ny Tsena Mora !
Mihoatra lavitra noho izay nanjo an-dRatsirahonana ny setrasetra sy faniombazimbana nanjo ireo ray aman-dreny sasany nanomboka ny taona 2009. « Aza adino » fa ireo izay nametraka izao fitondrana izao no tomponandraikitra tamin’izany. Fa taiza ny AVI, nanameloka izany ve Laurent Ramaroson, tohina vokatr’izany ve i Nirhy-Lanto Andriamahazo, nihazakazaka namoaka fanambarana ve Rolly Mercia ? Ianareo mpitondra no Mora Manadino ny fampanantenana nataonareo tamin’ny vahoaka fony mbola teny an-kianja, matihanina amin’io resaka Mora io rahateo ianareo mianakavy, fa ny olom-pirenena tsy manadino velively ary mitadidy tsara ny zavatra nataonareo teto amin’ity tanindrazana iombonana ity.

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...