Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Tonga ny fotoana!

13/11/2012

Lany teny Betongolo sy Anosy ny andro iray manontolo omaly satria dia tsy raikitra indray ny fanolorana teo anoloan’ny Fampanoavana ny raharaha niampangana ny tangalamena Zakariasy Patrick sy ny talen’ny famoahana ny gazety La Nation, Gazetiko ary Midi Madagasikara. Ankoatra izay fotoana lany izay dia lany niaraka ny ihany koa ny lasantsy, ny vola, ny hery, sns. Fa ny tena loza dia ity: mety ho lany ihany koa ireo olom-pirenena sahy mijoro satria matahotra ndrao dia ho tratran’izao manjo ny tangalamena Zakariasy Patrick izao.

Mazava ny resaka manodidina iny fivezivezena narahan-tosika omaly iny fa ny fitazonana an’i Zakariasy Patrick no tanjona mba ho anatra ho an’ny sisa. Anatra ho an’ireo izay mbola manam-pikasana hanao ampamoaka na manan-javatra goavana manodidina ny mpitondra ary ireo akaiky azy. Nahavita zanatohatra maro mihitsy ity fitondrana ity teo amin’ny sehatry ny fanampenam-bava. Basy sy hery aloha no nampiasaina tany am-boalohany toa ny manjo ireo mpanao politika nanakiana ny HAT ny taona 2009. Niharihary loatra anefa izany ary efa nanomboka nampiaka-peo tamin’ity fomba mamohehitra ity ny olona ka dia novàna endrika. Nakatona indray avy eo ilay kianjan’Ambohijatovo, nampindramina anarana hoe kianjan’ny demôkrasia ary dia narovana mafy tamin’ny fomba rehetra.
Tetsy an-danin’izany rehetra izany, nahita ny “l’homme qu’il faut à la place qu’il faut” ny fitondrana dia ny fanendrena an’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny toeran’ny ministry ny Serasera. Tsy niamboho adidy mihitsy koa anefa ity farany ka dia nampiasa ny hery sy ny fahefana teo am-pelatanany. “Lettre de mise en demeure”, fandrahonana amin’ny endriny maro samy hafa, fanakatonana hainoamanjery, tsy fanomezana « licence », sns. Sambany teo amin’ny tantaran’ny asa fanaovan-gazety sy ny governemanta no nisy minisitra manana « patron ». Tamin’ity fitondrana tetezamita ity vao nisy an’izany hoe minisitra manana “patron” ankoatra ny praiminisitra izany ary sambany ihany koa no nisy “patron de presse” iray manana gazety an-tsoratra samy hafa maro be toa izao misy eto amintsika izao.
Heverina kosa angamba fa tonga ny fotoana tokony handraisan’ny mpanao gazety an-tanana ny fiarovana ny hasin’ny Asany. Tonga ny fotoana hampivondronana ny hery hiatrehana ireo sakana sy teritery amin’ny endriny maro samy hafa. Tonga ny fotoana tokony hanehoan’ny mpanao gazety firaisan-kina. Ny manjo ny La Nation, Gazetiko ary Midi Madagasikara androany mety mbola hanjo ny hafa koa rahampitso. Isaorana sahady kosa anefa ireo namana mpanao gazety tonga nanome hery teny Betongolo sy Anosy ary ireo izay mbola nanamafy izany fanohanana izany amin’ny fiverenana hiatrika ny Fampanoavana androany.

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...