Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Amena !

11/02/2013

Na marina na diso ny « ampamoaka » nataon’i Andry Prince de Satan, mikasika ny fanahy ratsy ao aminy sy izay rehetra manodidina azy, zavatra azo ambara ary tsy hisalasalana intsony dia milalao ody ary manjaka eto amin’ny firenena ny fanahin-devoly sy satana. Porofon’izany ny fiantsoana Mpiandry isaka misy fisehoan-javatra goavana eto amin’ny firenena. Hiaraha-mahita angamba ireny olona maro samy hafa milaza ho mpaminany, mpahita ny zavatra miafina, manao fanambarana etsy sy eroa ireny.

Ao anaty fahasahiranana sy fahantrana lalina tanteraka ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana. Tsy misy afatsy lalana roa ihany anefa no azony hanadinoina izany : finoana na toaka. Ndeha hiarahana mijery ny zava-misy eny anivon’ny fiaraha-monina nandritra izay efatra taona nisan’ny krizy izay fa toa manamarina io voalaza etsy ambony io. Mihazakazaka manao dokambarotra araka izay tratry ny ainy mihitsy ireo orinasa mpamokatra toaka sy zava-pisotro mahamamo; mihazakazaka toaka izany koa ireo karazam-pinoana maro, araka ny hita amin’ireny peta-drindrina sy afisy etsy sy eroa ireny. Iza amin’izy izy roa ireo no fitaovan’ny devoly? Saro-baliana loatra ka aleony hatsahatra eo.
Fa lasa tandra vadin-koditry ny mpitondra sy ny manam-pahefana eto amintsika ny fanompoan-tsampy. Tsy ny “ampamoaka” nataon’i Andry Prince de Satan irery ihany akory no nandrenesana olona ambony sy tomponandraikitra teto amin’ny firenena, mivavaka amin’ny devoly sy manompo sampy. Indraindray manosika ny tena hisaina zavatra hafahafa mihitsy ny fifandrifian-javatra na daty amin’ny raharaham-pirenena: 17 marsa no daty nandosiran-dRavalomanana Marc, 17 novambra ny daty nanaovana ny Fitsapan-kevi-bahoaka, sns.
Manam-pahaizana àry ve izany no tsy ampy eto amin’ity tanindrazana iombonana ity ka mahatonga ny firenena ho latsaka an-kady tahaka izao? Tsia, olona matahotra an’Andriamanitra no tsy ampy na tsy misy ao anaty fitondrana, hany ka manjaka ny kolikoly sy risoriso ary halatra. Tsy fanovàna olona na foto-kevitra na fomba fiasa no takian’ny firenena fa olon’Andriamanitra, tsy sanatria amboadia mifaty hodi-janak’ondry akory. Amen!

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...