Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Mpanakorontana ?

12/02/2013

Isan’ny nifantohan’ny resaky ny filohan’ny HAT farany tamin’ny fahitalavitra TV Plus sy TVM farany teo ny hoe misy mikasa hamboly korontana eto amin’ny firenena ka tsy hanaiky izany velively mihitsy ny tenany. Dia mipetraka ny fanontaniana eo anatrehan’izany rehetra izany : iza marina no tena manakorontana eto amin’izao fotoana izao ? Moa va tsy fanakorontanana saim-bahoaka ireny fanambarana nataon’ny filohan’ny Tetezamita ireny ? Moa tsy fanakorontanana ny lamina heverina hivoahana amin’izao krizy izao ny fikasan-dRajoelina sy ny forogony hanalava dimy taona ny Tetezamita ? Moa tsy fanakorontanana ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny mihitsy ireny fihetsika nasehon’ny ministry ny Serasera tamin’ny PM Omer Beriziky ireny ? Ka iza marina no tena manakorontana eto amin’ity tanindrazana iombonana ity fa toa samy mihevi-tena ho tia tanindrazana sy mieritreritra ny vahoaka avokoa izay rehetra mandray fitenenana?

Misy mitetika rà mandriaka mantsy hono eto. Tsy izay manana ny Foloalindahy eo am-pelatanany ve no afaka manao izany e? Ka iza eto amin’ny firenena no miantehitra amin’ny Tafika sa mihevi-tena ho mbola mamim-bahoaka mihitsy ity fitondrana HAT ity? Tokony navela handray anjara tamin’ny alalan’ny karne-pokontany mantsy hono ny vahoaka talohan’ny namoahan’ny TV Plus ilay “sondage” mikasika ny filatsahan-kofidiana na tsia an-dRajoelina. Tsy mahalala afatsy karne-pokontany ve ity fitondrana ity sa ahoana? Navelan’ny HAT nifidy tamin’ny alalan’ny karne-pokontany tokoa mantsy ny olona nandritra ny Fitsapan-kevi-bahoaka ny taona 2010 ka nahatonga ny anaram-bositr’ilay minisitra teo aloha ho karne-pokontany.
Efa nilaza ny tsy hilatsaka hofidiana ny filohan’ny HAT, inona intsony no mbola hanakorontanany ny fanomanana ny fifidianana sa tsy te hiala eo amin’ny toerana maha filohan’ny Tetezamita mihitsy ny tenany? Tokony ho fantatry ny filoha Rajoelina fa tenany no manakorontana saim-bahoaka amin’izao fotoana izao sady manakorontana ihany koa ny lalana hivoahana amin’ny krizy. Izy irery sisa no mbola variana sy manana olona amin’ny fodiana na tsia ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Izay hiverenan’ny fiainana andavan’andro araka ny tokony ho izy izao no manahirana sy mampiasa saina ny

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...