Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Aza mibahana !

28/02/2013

Samy nahita ny fihetsiky ny jeneraly Camille Vital tamin’ny TVM, nandritra ny fidinan’ny filohan’ny HAT tany Toliara avokoa angamba ny mpanaraka ny fahitavi-panjakana. Nisy fotoana taraiky tany aoriana ity manamboninahitra ity ary dia nisisika sy nanifika ilay olona teo anoloany mihitsy mba nahafahany namonjy toerana teo akaikin’ny filohan’ny Tetezamita. Tena nanaitra ny sain’ny mpanara-baovao tokoa iny fihetsika nataon’ny praiminisitra teo aloha iny, nahafahana namaky mora foana ny tany an-dohany sy ny momba azy iray manontolo. Nisy fotoana ihany koa nilazan’ny filoha Rajoelina fa « tonga ny tenako sy ny mambra ao amin’ny governemanta » ; mbola ny jeneraly Camille Vital ihany anefa no taoriany rehefa nitodika ny filoha, izay vao nipoitra moramora ny ministry ny Fahasalamana.

O rey olona ô ! Aiza ny maha manamboninahitra jeneraly eo anatrehan’izany fihetsika sy fitondran-tena izany ? Mbola manana ny antsoin’ny vahiny hoe « sens de l’honneur » ve ny jeneraly Camille Vital ? Tsy hain’ny manampahefana eto amintsika mihitsy ve ny manaja tena ; fady amintsika mihitsy ve izany manetry ny tena izany ? Inona àry no tian’ny jeneraly Camille Vital hambara tamin’ireny fihetsika nasehony tany Toliara ireny ? Mba hinoan’ny mpijery ve fa ny tenany no kandidàn’ny filohan’ny HAT? Tapa-tsinay mihitsy angamba ireo mpanao politika avy ao amin’ny UDR-C sy ny TGV nahita iny horonantsary tamin’ny TVM iny.
Raha nampandraisan’ny filohan’ny HAT fitenenana koa ange ny jeneraly Camille Vital ka nasehon’ny TVM, mety mba hafa ihany ny fandraisan’ny olona ny fisiany teo anilan’ny filohan’ny Tetezamita e! Fa dia ny “aza mibahana” mbola ilay lohana miaramila tany amin’ny akademia tsotra izao fotsiny. Tokony ho fantatry ny jeneraly Camille Vital fa izy no tena mibahana ny fanoloran’ny filohan’ny HAT izay kandidà hisolo toerana azy.

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...