Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Boka lava

20/03/2013

Hofantrano dimy volana no tsy voaloan-dRadezy mianakavy. Isan’ireo lasa lavenona ny faha-26 janoary 2009 ny orinasa nampiasa azy. Teo ambany masony mihitsy no nandoran’ireo andian-jiolahimboto, mitonona ho mpanohitra ny jadon’ny fitondrana Ravalomanana Marc, izany orinasa izany. Niezaka niantso mpitandro filaminana ihany ingahy “patron” saingy tsy nisy nandray ny laharana an-tariby. Norobain’ireo jiolahimboto avokoa ny entana sy ny fitaovana tao am-piasana nialohan’ny nandoran’izy ireo ny “rideau” izay nitarika ny firehetan’ny trano iray manontolo. Mbola nahita hevitra nandoavana ny hofantrano sy ny saram-pianaran’ny ankizy ihany anefa Radezy mianakavy, tamin’ny alalan’ny famarotana ireo fanaka sy kojakoja tao an-tokantrano. Ringana tsy nisy horaisina intsony anefa izany taty amin’ny volana jolay 2009.

Tahaka ny banky ihany ny tompon-trano. Tsy te ahalala izay manjo anao izany izy, ny volany ihany no zava-dehibe aminy. Firy akory ireo mpandraharaha niakatra Fitsarana, nisy nigadra mihitsy aza satria tsy nahaverina ny volan’ny banky vokatr’ireny asan-jiolahy ny alatsinainy 26 janoary 2009 ireny! Dia tsy nisy fanadihadiana nisokatra mihitsy tokoa manodidina iny asa fandrobàna namotika tanteraka ny tontolon’ny asa fandraharahana teto amintsika iny; izany tokoa angaha no fanovàna nentin’ity HAT ity?
Manao fangalam-piery isan’andro Radezy sy ingahy Razily maimbo vava tompon-trano. Voredretra izay tokoa mantsy ity tompon-trano-dRadezy ity kanefa dia manan-karena tsy misy toa azy. Trano maro mihofa eto an-drenivohitra, kamiao am-polony mpitatitra saribao sy hazo. Nomen’izy telovavy zanak’i Radezy solon’anarana hoe Razily maimbo vava ity tompon-trano ity noho ny fofona mivoaka avy amin’ny vavany rehefa miresaka, ampian’ny piti-drora. Vao mangiran-dratsy dia efa migadona ao am-baravaran-dRadezy hitaky hofantrano Razily maimbo vava. Nanjary mpandainga nigagan’ny lanitra izy mianakavy kely. Rehefa tsy ny vadiny no mivoaka eo am-baravarava milaza amin-dRazily maimbo vava fa efa lasa vao maraina Radezy dia izy telovavy no indray miredona ny hoe: “tsy ao dadanay!”. Radezy amin’izany fotoana izany mifitsaka anaty bodofotsy tahaka ny faty ao am-bohitra. Lasa fahazaran-dRadezy ny manivaka eny an-tanimbary rehefa tsy maintsy hivoaka ny trano, ndrao sanatria hifanena amin-dRazily maimbo vava eny amin’ny arabe. Fangalam-piery e! Boka lava eny Razily maimbo vava!

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...