Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Fanovàna !

22/03/2013

Tafiditra ho mambra-ny kabinetra ao amin’ny ministera ity rangahy iray. Tanan-kavanan’ny minisitra mihitsy angaha hono izy izany raha ny fitantarany sy ny fihebohebony ao an-tanàna. Mazàna tokoa aloha izy no miantso ilay minisitra amin’ny alalan’ny findainy manokana ary dia miresaka tsara izao ary faranan’ny amin’ny hoe “voaray Mr le ministre” hatrany ny antso. Nihazakaza tahaka ireny TGV ireny koa ny fiainan’izy mianakavy. Tsy miala amina “complet” mangirana vaovao be mbola misy “étiquette” mandritra ny herinandro, ampian’ny kiraro mitraka loha, “cravate” feno lokoloko ary lobaka midorehitra, sns. Mihaingo tokoa ranamana isaka ny mivoaka ny trano, « haingo diso an’Iarivo » hoy ireo manodidina. Mahafinaritra azy ny miantso an-tariby mivazavaza eo afoavoan-dalana rehefa misy tovovavy sendra mandalo, mialohan’ny hidirany ao anaty fiara.

Tsy mahay mamily fiarakodia ary tsy mahalala izay izay bi sy ba amin’izany ity Deba ity, izay moa no fiantsoan’ny ao an-tanàna azy. Ny hany fantany fotsiny dia ny hoe “katikati” (4x4). Toraka izany koa ny mikasika ny kojakoja elektronika; ny hany fahaizana eo am-pelatanany dia ny hoe izay lafo vidy sy ngeza indrindra ao amin’ilay magazay no tsara. Dia zavatra goavam-be hatrany no tateriny isaka ny avy manao “shopping”. Tsy mbola nahita fitondrana tsara tantana sy mitsinjo ny tombotsoa ambonin’ny firenena mihoatra noho ity HAT tarihin’ny filoha Rajoelina ity ny tenany ary tena saritiny sy saro-piaro amin’izao fitondrana izao. Mpanaka-dresaka amin’ireo tanora miady hevitra mikasika ny raharaham-pirenena i Deba. Iza fitondran-dRavalomanana izao hatrany no mahita loza aminy rehefa tsy mahita havaly manoloana ireo fanankianan’ny boay kely. Voatsikera tamin’izany ohatra ny antony tsy maintsy nividianan’ny HAT ireo Airbus A300 miisa roa; ny Air Force One II avy hatrany kosa no fiarovantenan’i Deba. Mahatsikaiky ny mihaino azy e! Izao “kôm’te internasiônaly” izao foana no mba velabelariny isaka ny mihetsika, sahala amin’ny hoe nitafa sy nidika tamin’ny SADC ireny mihitsy ary dia mahita volana alohan’ny biby, hoy ny fitenenana.
Fa isan’ny fanovàna tsikaritry ny manodidina taminy koa ny tsy fihinanany “composé” sy lasopy intsony teo amin-dRamino. Nanjary ireny moto mitondra pizza ireny no mpamangy azy mianakavy isaka ny hariva. Miparitaka manerana ny tanàna ny baoritra pizza; mifandrombaka mitsimpona ireo ankizy madinika ary dia mahafaly an’i Deba ny mahita izany. “Iny ny baoritr’lisany de lasa mande any!”, hoy izy mibetrobetroka. Azo tsapain-tanana mihitsy aloha ilay fanovàna e!

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...