Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Candidat de salon…

15/04/2013

Dia izay izany e ! Ny vadiny ihany no notendren’i Ramose hisolo azy amin’ny fifidianana ho filoampirenena. Omaly hariva no nivoaka ny vaovao. Raha tsorina tokoa dia io safidin’ny ankolafy Ravalomanana io sisa no tena andrasan’ny maro, ka handraisan’izay mety ho kandidà fanapahan-kevitra hentitra.

Nahazo aina be tokoa ireo izay efa nikasa hatrizay, hilatsaka ho fidiana ho filohampirenena raha vatany vao nanapa-kevitra I Ravalomanana Marc, izay narahan’I Rajoelina Andry, fotoana fohy taty aoriana, fa tsy hilatsaka ho fidiana. Kely dia kely, mba tsy hilazàna fa tsy misy mihitsy, ny herijika mety ahalàna ny hafa, raha anisan’ny mpifaninana ireo roalahy fototry ny krizy ireo.
Eto dia tsaroko ilay seho iray nampihomehy izay : nisy zazalahy kely niaraka tamin’ny rainy, sendra nijery mpifaninana hazakazaka lavitr’ezaka, ary nametraka fanontaniana taminy. « Fa maninona kay ry dada no mihazakàzaka ireny olona ireny ?”. “Izay voalohany amin’izy ireo dia mahazo amboara sy fanomezana anaka !”. “Mahazo amboara sy fanomezana izany ny voalohany… dia maninona izany ny sasany no mbola mihazakazaka ?”.
Azo ampitaina amin’ity hazakazaka mankany amin’ny fifaninanana ho filohampirenena, ity tantàra ity. Mba firy amin’ireo mpifaninana ireo moa no manantena fa ho làny ? Ny sasany aza moa dia efa fantany dia ny mialoha izao fa tsy ho làny, kanefa dia mbola mandray anjara ihany. Natosiky ny fitiava-tanindrazana sa mijerena ny tombotso ambonin’ny firenena ? Sa vola atsipy eny am-baravarankely ? Tsia kosa e ! Mba entina anatevenana ny kitapom-bolam-panjakana fa aiza kosa e…
Na izany na tsy izany, tsy vitan’io “caution”-na 50 tapitrisa io ihany ny vola mety ho lanin’ny mpifaninana, fa ao indrindra koa ny enti-mànana amin’ny fampielezankevitra, ary io indrindra no tsy an-jàza. Mety ahatratra amina lavitrisa maro, hoy ny mpandinika. Hofan’ny fitanterana, indrindra raha mampiasa fiaramanidina. Tokony anefa satria sarotra ihany ny hitety an’I Madagasikara manontolo raha tsy manao izany, ny petadrindrina, ny “felaka” ho an’ny mpanao gazety. Raha tsy ohatra angaha ny ankamaroan’ireo mpifaninana ka hanao “candidat de salon” toa ny Pr Andriamanalina Nirina tamin’ny fotoan’androny, izay tao amin’ny “salon”-ny ihany no nanatontosa ny fampielezankeviny.

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...