Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Ra-Jeannot

25/04/2013

Diabe manara-penitra (tohiny) Teo am-pihinanana lasopy atody indrindra Ra-Jeannot no indro mpitandro filaminana telolahy nibeda azy avy aoriana sady nandavo azy tamin’ny tany. “Ialahy izany no tena mafy be eto amin’ny tanàna mampitondra faisana ety Analakely ety? Mitsangana ary aza mihetsika mahery ndrao lavaky ny bala ity tratran-gisa kelin’ialahy!”, hoy ireto mpitandro filaminana, sorena mafy teo am-pisamborana an-dRajeannot. Avy hatrany dia nizotra namonjy ny paositry ny pôlisy izy ireo rehefa avy nanalà ny fony teo ny mpandalo. Amin’ny fotoana tahaka itony mantsy milaza ho efa voaroban’ny mpanendaka avokoa izay rehetra miloa-bava. Ny sasany mahavita mitabataba mihitsy fa “collier” volamena milanja 100 gr be izao hono ny azy no nisy nisintona, indrindra moa ka misy vehivavy manjamanja manatrika eo.

Sivy lahy ry Ra-Jeannot no tao amin’ny “violon”; maratra noho ny daroka nataon’ny fokonolona ny roa tamin’izy ireo. Very fanahy mbola velona ny ankamaroany afatsy ny iray izay tsy sasatry ny manambony saina fa manana olona ambony miaro azy. Dia nifampanontany ny zavatra hitazoanana azy avy izy sivy mirahalahy. Mpirahalahy mian’ala tsy fidiny ny olona voatazona any amin’ireny “violon” ireny. Hifampizarana avokoa ny zava-drehetra; torohevitra, sakafo, rano, sns. Toa misy manati-bary daholo mantsy izy valolahy, misy azo hanafaran-javatra sy hifampiresahana na dia minitra vitsy monja aza. Ra-Jeannot kosa mitanty ràn-kena amin’ireto “mpiray fonenana” aminy. Notànan’ny mpitandro filaminana avokoa mantsy n any fehikibo, ny vola izay fitaovana rehetra mety hampidi-doza tany aminy.
Nipaika ihany ny tamin’ny enina ora hariva fa tsy mbola nisy “nandray” foana Ra-Jeannot. Ny sasany anefa in-telo izao no nantsoina hivoaka tao anaty “violon” hiatrika famotorana. “Mety tsy tonga angamba razoky le mpitory an’ty a! Tsy afaka mitàna an’ty mihoatra ny 48h nge ny “prà” e! Rehefa tsy mipoitra hatramin’ny zoma ny mpitory an’ty de tsy maintsy havotsotry ny “prà” ty”, hoy ny iray tamin’izy valolahy. Manodidina ny 48 taona ity farany ary efa hita ho zatra ady tokoa. Vaky trano tany Itaosy tany no nisamborana azy teny Anosibe. In-telo izy no niditra teny Antanimora tato anatin’ny roa taona, am-polo taonany kosa no namelomany ny ankohonany tamin’ny alalan’ny halatra.
Tsy nahitan-teny intsony Ra-Jeannot taorian’izany. Nivavaka mafy tokoa ny tenany mba tsy ho tonga araka ny fanazavana azony ny mpitory azy. Ny alina izy vao nisoka-bava, nitantara tamin’ireto “namany” ny lalana nodiaviny mandra-pahatongan’izao diabe manara-penitra izao. “Agent de recouvrement tao amina orinasa tsy miankina iray aho. Nivelona ara-dalana tahaka ny olon-drehetra. Very asa noho iny fandrobàna tamin’ny 26 janoary 2009 iny ary…

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...