Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Ra-Jeannot

03/05/2013

Diabe manara-penitra (tohiny) Nobitsibitsihan’ny mpanampiny ny amin’ny fahatongavan-dRajeannot ao am-bavahady ramatoa Charline. Hatsatra tampoka mihitsy ity farany nandre izany; saika latsaka hatramin’ny vera teny an-tanany. Tazan’i Fôsy izany fihetsiky ny vadiny izany ka sorena aoka izany izy. Tsy ny fahatongavan-dRajeannot nefa no tao an-tsain’i Fôsy fa zavatra hafa.

Nanomboka jejojejo izany mantsy Charline vadiny ary dia raikitra hatrany ny fifamaliana teo amin’izy mivady tato anatin’ny tapa-bolana izao. Misy miantso amin’ny laharana miafina hatrany mantsy Charline. Tsy raisiny ilay antso rehefa eo akaikiny i Fôsy, raha tsy izany, nolazainy fa olona diso nomerao. Tsy mody an-trano matetika i Fôsy nanomboka ny taona 2009. Nahita fanazavana nomena am-badiny hatrany izy; rehefa tsy mivory miaraka tamin’ny mpanao politika dia mi-bizna any Toamasina. Mamo tsy maharay tena indray kosa rehefa sendra mba tafody. Tsy misy andro mihiratra mihitsy e! Toa tsy ampy an-dramatoa intsony ny fanomezana azy vola be. Mba te hitovy amin’ny vadin’olona rehetra izy; miara-miantsena eny amin’ny “grande surface”, “calin calin” isaky ny alina, sns. Tsy laharam-pahamehana ho an’ingahy Fôsy intsony anefa izany hatramin’ny fotoana naha deba azy izay.
Nitsangana nihazo ny lalantsara mankany an-tokontany Charline rehefa avy nametraka ny vera teny an-tanany. Nijaikojaiko taoriana kosa i Fôsy, hitsikilo izay afenin’ity vadiny aminy. Lehilahy no nandrasany tamin’izany na dia tsy niloa-bava aza izy. Resy lahatra ny amin’ny fananany rafilahy tokoa mantsy i Fôsy ary androany no fotoana noheveriny fa hipoahan’ny marina momba izany. Akory ny hafaliany nahita ny tavan-dRajeannot nanangasanga teo am-bavahady, izy indray no avy hatrany dia nampandroso azy: “Aaa! Ra-Jeannot! Mandroso leisy e! Taiza no tsy tazana mihitsy ry valy a?”. Saika nijanona mihitsy ny fitempon’ny fon’i Charline nandre ny antsoantsom-badiny. “Hay ve tena nitsikilo ahy taoriana tao e!”, hoy izy niteny irery. Nitanjaka teo imasony manomboka teo i Fôsy Be sy ny fahalemeny. Nahazo aina aoka izany izy nampiditra ny anadahiny.
Fanapahan-kevitra efa noraisiny kosa ny an-dRajeannot ka tsy afaka ny hiverenana intsony. “Fa nilatsahan’inona avy tany an-danitra tany ilay alikalahy ity no falifaly tahaka izao? Politikan’ny kibo leisy izao no laharam-pahamehana ry Lapin a! Inona no hiraharahian’ialahy izay maha miramirana ny amboadia any, refeha tsy hanaikitra an’ialahy izy dia izay no zava-dehibe”, hoy izy nitsiky tsy ravo. “Fahasalamanao ry valy e! Deba be mihitsy nge nareo zany e!”, hoy Ra-Jeannot naneso an’i Fôsy. Tsy fanesoana kosa anefa no nandrasainy ny tenin’i Lapin fa fandokafana sy fanomezam-boninahitra azy mihitsy. Nentin’i Fôsy niakatra tany amin’ny efitranony aloha Ra-Jeannot ka notolorany fitafiana madio, mialohan’ny nidinana tao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny. “Izy indray ry zareo no valilahiko a! Jeannot no anarany; izy kosa leisy no lehibe eto amin’ny tanàna ry Jeannot a! Mambra ao amin’ny CT izy ary noraisiko ho solon’ny raiko mihitsy”, hoy i Fôsy nidehadehaka nanerana ny trano.

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...