Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Ra-Jeannot

17/05/2013

Diabe manara-penitra (tohiny) Maro loatra tokoa ireo olona lasa mpanefoefo tsy fanta-pihaviana nandritra ity fitondrana HAT ity. Misy mihitsy aza ireo milaza fa mpitandro filaminana sy miaramila avokoa no tompon’ireny fiarakodia efa niasa amidy manerana ny renivohitra ireny. Mpitandro filaminana sy miaramila maro ihany koa no fantatra fa nanangana trano be nandritra izay efatra taona nitondran-dRajoelina izay. Tsy sanatria ory hava-manana no hilazana izany. Mampieritreritra tokoa ny zava-misy. Ohatrinona isam-bolana ny karaman’ireny miaramila ireny no ao anatin’ny efatra taona monja dia mahavita trano be roa sy telo? Toraka izany koa ireo olon-tsotra akaikin’ny mpitondra.

Milaza miara-mahita angamba isika fa maniry tahaka ny anana ny fiarakodia avo karazana mivezivezy an-dalambe. Milaza ho miasa mafy eo anatrehan’izany harena tsy fanta-pihaviana izany anefa ny SAMIFIN sy ny BIANCO. Marina tokoa, mety miasa mafy izy, saingy miasa mafy ho amin’ny tombotsoan’ireto karazan’olona voaresaka ireto.
“Ohatrinona leisy no homeko an’ialahy ry valy dia aleo hilamina any izany resaka izany a! Inona anefa no tombotsoan’ialahy hanagadra ahy e? Tsy aleon’ialahy ve ny fiainana no atao izay maha metimety azy amin’izao fahantrana manjo an’ialahy izao?”, hoy i Fôsy nanambitamby ny zaodahiny. Sady fandatsana no misy fahamarinany ny voalazan’i Fôsy. Nihazakazaka nanao diabe manara-penitra teo ny sain-dRajeannot, nanambatra ny miiba sy ny miabo. Fantany tsara fa eo am-pelatanany ny fanapahan-kevitra rehetra, ny valinteny homeny no hampiato na tsia ny fitempon’ny fon’i Fôsy. Ny avy hatrany dia hanaiky kosa toa midika fa maim-bola loatra ka mety hampivadika ny toerana misy azy roalahy. Natsipiny tany amin’i Fôsy àry ny baolina mba ahafahany mitazona ny familiana: “ka inona moa no hambarako amin’izany fa ianao no aoka hiteny izay heverinao fa mety!”. Nivadika “ianao” tampoka teo ny fiantsoan-dRajeannot an’i Fôsy. Mahalaza zavatra betsaka izay “ianao” izay, fanajana sy fankatoavana ary fanomezam-boninahitra.
Tsy nisalasala mihitsy i Fôsy nanonona ny sora-bola ho tambin’ny fahanginan-dRajeannot. Roa loha no tanjony tamin’izany dia ny tsy hivoahan’ny resaka mahakasika ary koa ny hiverenan’ny toerana nisy azy fony Ra-Jeannot reraky ny fiainana no teo anoloany. “Cinq millions leisy raha eken’ialahy a!”. Iza no handà vola homem-potsiny amin’izao ora sarotra izao kanefa toa tsy mifanentana amin’ny lanjan’ny tahotry Fôsy ilay tolotra ka dia nolavin-dRajeannot tsotra izao. “Fa inona no fiheveran’ialahy ahy ry Fôsy a! Ataoko inona zay cinq millions! Tazony any ny volan’ialahy leisy fa aleo aho handeha a!”, hoy Ra-Jeannot sady nitsangana moramora teo amin’ny sezany. “Aoka ry valy a! Zao àry leisy e! 15 millions?”, sady nanolotra ny tanany tamin-dRajeannot izy.

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...