Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Alléluia !

06/06/2013

Ho tonga ihany ilay andro malaza hialan’ny filohan’ny HAT eo amin’ny fitondrana. Efa ela tokoa mantsy no niandrasana izany fotoana mamy izany. Tokony hametra-pialàna tokoa mantsy ny tenany, taorian’iny fanapahan-kevitra noraisin’ny CES omaly iny. Kandidà ofisialy amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny tenany; miala eo amin’ny fitondrana tahaka ireo kandidà rehetra no dikan’izany. Fandresena voalohany ho an’ny vahoaka nanohitra izao fitondrana jadona notarihan’ny filohan’ny HAT izao, ny fialàny eo amin’ny fitondrana.

Tsy vitsy amin’ny olom-pirenena no hankalaza izany fialàny eo amin’ny fitondrana izany ary dia ho lanonam-be mihitsy no handraisana izany vanim-potoana manan-tantara eto amin’ny firenena izany. Nibaribary teo ambany mason’ny filohan’ny HAT fa tsy misy matahotra ireo miaramila niray petsapetsa taminy nandritra ireny fanonganam-panjakana ireny intsony izao ny olom-pirenena tsy an-kanavaka. Deraina manokana eto ny fahasahian’ny filohan’ny Kongresin’ny Tetezamita, Mamy Rakotoarivelo, niteny mivantana tamin’izy ireo nandritra ny fivoriana teny amin’ny CCI Ivato nanao hoe : « tsy ianareo mpanongam-panjakana velively no hampianatra anay ny atao hoe demôkrasia ! ». Alléluia !
Dia hiaraha-mahita eto indray ny ho fihetsik’ireto manamboninahitra mpanongam-panjakana ireto amin’izao fanapahan-kevitry ny CES izao. Hosahin’izy ireo ve, tahaka ny nataony teny amin’ny CCI Ivato, ny handrahona ny filohan’ny HAT hametra-pialàna, amin’ny alalan’ireo miaramila misaron-tava ? Mitodika any amin-dry jeneraly Lucien Rakotoarimasy sy Ranto Rabarisoa avokoa ny mason’ny mpanara-baovao.
Fa mba iza loatra no nanomorana ilay hoe « foza orana » e ? Tena mba nahita kosa aloha izay olona nametaka iny solon’anarana iny e! Voaporofo mihitsy izao fa mihemotra tahaka ny famindran’ny “foza orana” ny fomba nitantanan’ny filohan’ny HAT ny firenena. Sambany teto amin’ny tantaran’ny firenena izany Tetezamita “voaongana” teo amin’ny toerany izany. Na inona tokoa mantsy fanazavana manodidina ny fialàn’ny filohan’ny HAT eo amin’ny fitondrana, dia efa karazan’ny fionganany ihany izany. Alleluia!

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...