Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Indrisy fa sôsisy!

27/06/2013

Nangidy ho an’ny champion Andry Rajoelina mihitsy iny matso teny Mahamasina omaly iny. Tsy nisy tonga namaly ny fanasana ireo masoivoho vahiny; tsy nanatrika izany koa ireo filoham-piangonana, eny hatramin’ny Mgr Odon Razanakolona. Tena champion marina tokoa ity filohan’ny HAT ity raha iny matso tetsy Mahamasina iny no dinihana. Izy tokoa mantsy no filoham-panjakana voalohany, hatramin’izay 53 taona nahazoana ny Fahaleovantena izay, nitarika matso teny Mahamasina tsy notronon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ny filoham-piangonana efatra. Dia mbola inona ihany no hiziriziriana eo amin’io seza io e? Tsy mahay maka lesona tamin’ny lasa mihitsy ve ireto mpanao politika eto amintsika ireto e? Adinon’ity champion ity fa nahafeno an’i Mahamasina ange ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny TIM ny taona 2009 ary nihevitra ny tenany fa tena mbola eken’ny vahoaka; kinanjo indrisy fa sôsisy!

Aleo hazavaina kely amin’ny champion Andry Rajoelina ny atao hoe sôsisy. Ny sôsisy dia toton-kena nofonosina tsinain-kena, mibontsina eny an-tsena. Vao miha mibontsina maha be fanantenana rehefa tonga ao am-bilan, kinanjo mitsefotra sy mifintina. Izay ilay sôsisy ry champion a! Azonao tsara amin’izay ny atao hoe sôsisy? Dia sahala amin’izany ireny natrehin’ny maso omaly ireny. Ireo mpanao politika, manamboninahitra mpanindrahindra anao androany ireny ihany no ho avo vava sy hanenjika anao rahampitso ary hilaza mihitsy aza fa ianao avokoa no fositry ny tsy fahombiazana rehetra nandritra izay Tetezamita naha champion anao izay.
Porofon’izany, tsy nisy nanatrika ny matso ireo masoivoho vahiny, eny hatramin’ny Lafrantsa renimalala, niara-nikotrika ireny fanonganam-panjakana taminao ireny ny taona 2009. Sahala amin’izany avokoa ireo rehetra ireo; milokaloka ny ho doria amin’ny fotoana maha mamy ny resaka, mitsefotra ohatra ny sôsisy daholo amin’ny fotoan-tsarotra. Mahagaga sy mahavariana mihitsy ny tsy fahatakaran’ny champion an’izany. Aiza ohatra fotsiny izao no misy an’i Vyvato, mpiara-dia tamin’ny filoha teo aloha. Moa va tsy Vyvato no tao ambadik’ireny soarabaventy nanompa ny Fianakaviambe iraisam-pirenena ireny niaraka tamin’Ambohitsorohitra ireny? Saina sy lanjalanjao ihany ity fitiavan-tena ity ndrao taitra urery vao hoe: indrisy fa sôsisy!

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...