Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Haingom-batony !

28/06/2013

Hanamafy ny sazy ho an’ireo kandidà telo indray hono ny SADC sy ny Vondrona Afrikana mba hanerena ny fialan’izy ireo tsy ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Fanafoanana ny fahazoan-dalana mivoaka any ivelany no fepetra noraisin’ny GIC voalohany. Tsy nampihontsona ny champion Andry Rajoelina anefa izany ary noporofoiny mihitsy nandritra ny matso teny Mahamasina ny 26 jona lasa teo. Ny vady aman-janany tsy afaka manao vakansy any Frantsa no mampalahelo far aha izy tenany tsy holaitran’ny balan’ny fananarana akory.

Nogiazana avokoa hono ireo fanana’ireto kandidà ireto any ivelany rahatoa ka mbola miziriziry amin’ny heviny izy ireo. Zava-dehibe tokoa ny fampahafantarana amin’ny vahoaka ny fananan’izy ireo any ivelany any. Malaza ho manana harem-be any ivelany tokoa izy ireo, indrindra ny champion Andry Rajoelina. Toa hoe manana château sy kaonty matevina amin’ny banky atsy Maorisy sy Dubai mantsy ity champion ity, ka na tsy hiroso amin’ny fanagiazana ny fananany aza ny GIC dia mba tokony hampahafantarina amin’ny Malagasy ny fisian’ireo fananana ireo.
Maro amin’ny mpanara-baovao no mihevitra fa hiala tsy ho kandidà ny champion Andry Rajoelina, amin’izao sazy heverin’ny GIC hatao izao. Marary azy tokoa mantsy raha vao io fananany io no mitady hisy hitikitika ary tsy hampaninona azy velively mihitsy ny hanambara fa noho ny fitiavan-tanindrazana no nanosika azy hiala tsy ho kandidà. Dia hibitabitaka ohatra ny zanaka akoho mahita rehoka indray ry Naivo Raholdina hilaza fa tsy misy tia tanindrazana mihoatra ny filohan’ny HAT.
Voadona any amin’ny haingom-batony mihitsy ny champion Andry Rajoelina tamin’ity farany ity. Fananana nisasarana nandritra izay efatra taona izay tokoa ve moa no hogiazan’ny olona tampoka fotsiny eo! Toa efa nisy olana manodidina izay resaka kaonty amin’ny banky izay mantsy hono teo aminy sy ny maorisiana roa na telo volana lasa izay, mainka fa hiampy an’ity sazy fanagiazana ny fananany rehetra any ivelany ity. Mba mahita koa ireto GIC ireto an! Any amin’ny haingom-batony mihitsy!


Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...