Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

“Troisième … mi-temps”

29/06/2013

Manomboka miseho ny tena marina mikasika ity raharam-pifidianana ity. Araka ny fantatra dia nanamafy ny loharanom-baovao iray avy ao anivon’ny ministeran’ny Atitany fa mbola tsy misy fiovana hatramin’izao ny datin’ny fifidianana solombavam-bahoaka nokasaina hatao eto Madagasikara. Izany hoe mbola ny datin’ny 25 septambra, hatramin’izao, no hanatanterahana ny fifidianana solombavam-bahoaka. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia tsy misy voakasiky ny fanemorana izay efa nambaran’ny CENI-T, hatreto, afa-tsy ny fifidianana filoham-pirenena ihany.

Fantatra ihany koa, ankoatr’izay, fa mbola mitohy ny fandraisana ny atontan-taratasin’ireo izay hilatsaka ho fidina solombavambahoaka amin’ny farim-pifidianana samihafa manerana ny Nosy. Tsy hikatona izany raha tsy amin’ny andron’ny faha 15 jolay ho avy io. Marihina fa tsy mbola nisy resaka hatreto ny mikasika ny fifidianana ben’ny tanana satria mbola tsy namoahana didim-pitondrana izany hatramin’izao.
Arak’izany dia tsy isalasalana ny milaza fa ny fifidianana solombavam-bahoaka no tena tadiavina halefa aloha eto amin’ny firenena. Ny fifidianana solombavam-bahoaka izay nimatimatesan’ny filohan’ny tetezamita hatrany am-boalohany ary mbola ambetin-dresany hatramin’izao. Resaka sy fandrebirebena avokoa ny momba ny fanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena, indrindra ity paik’ady fanemorana izay toy ny simena fotsiny ihany ity. Raha dinihina dia paik’ady avokoa no nataon’ireo mpikirakira isan-tsokajiny, fa ny tanjona niombonana dia ny hanatanteraka ny fifidianana solombavam-bahoaka mialoha ny fifidianana filoham-pirenena. Fomba fiady avokoa ny fametrahan-kofidina taorian’ny fe-potoana ara-dàlana mba hambolena olana hahafahana mametraka ilay antony tsy azo hanoharana sy handrosoana ny fifidianana solombavam-bahoaka. Fomba fiady ihany koa ny fanosehana kandidà marobe mba ilazana fa vonona ny hifaninana amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Fa ny tena tian-katao dia ny fifidianana solombavam-bahoaka.
Na izany na tsy izany, midika izao fa tsy mahatoky tena intsony, ary mety efa tsy nahatoky tena hatrany am-boalohany ho isan’ny mamim-bahoaka ny mpitondra amin’izao tetezamita izao. Satria raha izany dia tsy nisalasala akory ny tenany hiatrika ny safidim-bahoaka. Saingy naleony miroso amin’ny fifidianana solombavam-bahoaka satria any no mety ahitana irika hijanonana ela eo amin’ny fitondrana. Izay ilay “troisième mi-temps”.

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...