Journal La Nation : « La Nation » le quotidien d’informations et d’actualité, est un journal quotidien de 16 pages minimum au format standard des quotidiens Nationaux de la place. Elle est déjà sur le marché, présente à Antananarivo et dans les provinces.

Edition du

14/09/2013
N° 379

 

Recherche Journal

Archive KOF'ROC

Ampamwak sauf… pour lui !

11/07/2013

Ampamwak ny taona 1991, ampamwak ny taona 2002, ampamwak ny taona 2009, ampamwak, ampamwak, ampamwak… ! Mora rebirebena marina isika Malagasy ireto rehefa dinihana. Aiza izao izay ampamwak teo? Ny tompon’ny ampamwak indray aza ity no mety hataon’ny sasany ampamwak raha izao no mitohy. Vola avy taiza tampotampoka teo no nahafahana nanatanteraka ireny fihaonambe, nanafarana olona an’arivony manerana ny Faritany enina ireny? Nametra-panontaniana momba izany avokoa ny ankamaroan’ny olom-pirenena; vola avy aiza loatra no ampiasain’ireo mpanao politika eo anatrehan’izao fahatran’ny vahoaka sy ny firenena izao.

Dia miandry ampamwak tokoa ange ny vahoaka, indrindra taorian’ny nanambran’ny IGE fa mitentina 150 miliara ny volam-bahoaka fantatra fa nahodinkodin’ny mpitondra HAT. Ilay champion amin’ny ampamwak nefa ity toa tsy sahy miloa-bava intsony. Loza, efa ny ao an-tranony izao mihitsy no hangatahan’ny olona ampamwak, mikasika ny volan’ireo mpandraharaha am-polony miliara tsy voaloan’ny ministeran’ny Jono, noho ny hevi-petsy feno fitaka. “Il est pour l’ampamwak sauf…pour lui”, hoy ny mpanadrohadro.
Fa mitampina inona ny mason’ny SAMIFIN e ? Tsy hitany mihitsy ve ireny fiara be mitentina amina miliara maniry mihoatra ny anana eto ireny, amin’izay indray tomponandraiki-panjakana no misonanika amin’izany ! Ny voay tokoa angaha tsy mihinana ny namany. Ry SEMPAMA mampianatra ny zana-bahoaka nefa cube jumbo no mba sakaizany isan’andro, notapahana indray koa ny karaman’ireo izay niana-kendry !
Ataon’ny mpanao politika kilalao mihitsy ny vahoaka. Sahala amin’ireny inona ireny mihitsy anefa ny sasany rehefa mandray fitenenana na mikabary an-kalamanjana: ry vahowak, ampamwak, sôbakaka… ! Aoka mihitsy izay ity fampanantenana paok’aty sy famitaham-bahowak lava ity. Lalam-panorenana inona indray koa hono izany e? Misy mihaino!

Roc
Tag :

Kandidà vitsy ihany aloha izao no maneho ny fahavononany hiatrika ny fifidianana izay hatao amin’ny faha-25 oktobra 2013. Maro amin’izy ireny no mahazo fanankianana fa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Mahalasa saina ih ...

Dia mbola sahy hilaza ve ny CENIT, indrindra ny filohany fa fifidianana hanjakan’ny mangarahara tanteraka ity hatao eto Madagasikara ity? Ary sahy hilaza ve izy fa hankatoavin’ny rehetra ny vokam-pifidianana hivoaka eo? Sao dia io ...

Nilaza hiverina hanatanteraka ny fisamborana an’i Alain Ramaroson ireo mpitandro filaminana. Gaga teo ny rehetra fa tsy sahy nipoitra intsony. Toa manamafy izay nambara teto amin’ny La Nation izao zava-misy izao. Sineman’ny mpiton ...

Fety aman-danonana telo sosona be izao no nanamarika ity herinandro madiva hifarana ity: ny fitokanana ny kianjan’Antsonjombe sy ny fankalazana ny datin’ny 11 desambra ary ny kianja fanaovana rugby izay hotokanana androany raha ny ...

Mifampanontany tena avokoa ny mpanara-baovao rehetra manoloana ny fahanginana tampok’ireo mpanao politika ary ireo tangalamena, mikasika ny raharaha Zakariasy Patrick. Fa nisy inona tany ambadika tany ? Isan’ny raharaha nafana tok ...

Noheverina hitondra inona teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny filazam-baovao ny fahatongavan’i Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia teo amin’ny sezan’ny ministeran’ny Serasera, ilay mpanao gazety teo aloha niseho ho saro-piar ...

Niato nandritra ny segondra vitsy ny fitempon’ny fo raha nandre ny amiraly niantso ny jeneraly Ravalomanana Richard tamin’ny anaram-boistra hoe « jeneraly bômba ». Fahasahiana tsy roa aman-tany ny an’ny filoha te ...

Tsy manaiky ho diso izany mihitsy ny mpanao politika eto amintsika na dia hita izao aza fa tsy nitondra tombotsoa na fandrosoana ho an’ny firenena. Antoko firy izay nilaza azy ho matanjaka sy manana ny maha izy azy teto izay fa to ...

Dia niverina indray ny resaka bômba rehefa tonitony kely izany tato anatin’ny roa taona latsaka kely. Mazava ny resaka, tafita ny hafatra ary tsy hiadian-kevitra intsony fa tena ilaina tokoa ilay vola 35 miliara Ia notakian’ ...

Miverina eny ambony kianja indray “ra-bômba” isaka ny tojo sampanan-dalana ny fiainam-pirenena. Tsy bômba tahaka ny fahita any ivelany mandrodana building sy mahafaty olona am-polona na an-jatony mihitsy aza ny antsika ...